Arakaraka ny maha-akaiky ny fanatonantsika an'i Jesôsy, sy arakaraka ny ahitantsika mazava kokoa ny fahadiovan'ny toetra amam-panahiny, dia ho arakaraka izany no hahitantsika indrindra ny tena maha-fahotana ny fahotana ary arakaraka izany koa no ho fahakelezan'ny fahatsapantsika ny tokony hanandratantsika tena. Ireo izay eken'ny lanitra ho masina no farany indrindra hampidera ny hatsaran-toetrany." -HF, tt. 156, 157 (ed. 2004)
"Mialoha ny voninahitra ny fanetren-tena. Mifidy mpiasa tahaka an'i Jaona Mpanao batisa izay naka toerana ambany teo anatrehan Andriamanitra ny Lanitra, mba hitana toerana ambony eo anatrehan'ny olona. Ny mpianatra mitovy amin'ny zaza indrindra no mahomby kokoa amin'ny asa ho an'Andriamanitra. Afaka miara-miasa amin'izay mitady ny hamonjy fanahy fa tsy ny hanandratra ny 'izaho' ny hery sy ny sain'ny lanitra rehetra. (...)
Nefa kosa rehefa manandra-tena ny olona ka mahatsapa fa tena ilaina izy hampanjary ny drafitr'asa lehiben'Andriamanitra, dia asain'ny Tompo esorina izy. (...)
Tsy ampy ho an'ny mpianatr'i Jesôsy ny ampianarina momba ny toetry ny fanjakany. Ny ilainy dia fiovam-po izay hahatonga azy hifandrindra amin'ny foto-kevitry ny fanjakany. (...) Ny toetra tsotra, ny manadino ny tena, ny fitiavana feno fahatokisan'ny zazakely: izany no misy vidiny eo anatrehan'ny Lanitra. Ireo no toetra mampiavaka ny tena fahalehibeazana marina. (...)
Sarobidy eo imason’ Andriamanitra ny fanahy tsotra sy torotoro. Apetrak’ Andriamanitra eo amin'ny olona ny tombokaseny, tsy noho ny laharany, na ny harenany, na ny fahalehibeazany ara-tsaina, fa noho ny maha-iray azy amin' Kristy, IFM, tt. 468, 469 (ed. 1983).
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Inona avy ireo hevitra fanampiny entin'ireto andininy ireto momba ny avonavona sy ny fanetren-tena? Mat. 23:12; Sal. 25:9; Sal. 149:4 ary ny Jak. 4:6,10.
2. Saintsaino amin'ny fomba mahitsy izao: oviana no fotoana farany "nampideranao ny hatsaran-toetranao"? Inona no fiantraikan'izany teo amin'ny fifandraisanao amin'Andriamanitra sy ireo izay nampideranao izany?
3. Inona no mety mila ovana eo amin'ny fiainanao mba hanetrenao tena eo anatrehan'Andriamanitra ka hihamatanjaka ny fiarahanao mandeha Aminy?