Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Fanombohana manano sarotra.

Daty
Alatsinainy 14 July 2025

FANOMBOHANA MANANO SAROTRA

Azo inoana fa efa fantatr'i Mosesy hatrany am-piandohana ny hasarotry ny asa nampiandraiketin Andriamanitra azy (izany no nahatonga azy nanao izay nialana tamin'izany), nefa azo antoka fa tsy tao an-tsainy mihitsy izay hiseho manaraka.

Vakio ny Eks. 5:3-23. Inona no niseho avy hatrany taorian'ny fihaonan'i Mosesy sy i Arona tamin'i Farao?

Talohan'ny nandehanany tany amin'i Farao, dia namory ireo loholona sy ny vahoaka Isiraely i Mosesy sy i Arona ary nilaza tamin'izy ireo ny teny nataon'Andriamanitra taminy sy naneho taminy ireo famantarana nasehoni Jehovah. Nahatonga ny Isiraely hino izany fa hanafaka azy ireo amin'ny fanandevozana i Jehovah ka niankohoka Taminy izy ireo (Eks. 4:29-31). Azo antoka fa ambony tokoa ny fanantenan'izy ireo: hanafaka ny vahoaka hebreo amin'ny fatorany ihany Andriamanitra nony farany!

Taorian'izany no nankanesan'i Mosesy teo amin'ny mpanjakan'i Egypta sy nitondrany ny fitakian'Andriamanitra taminy, izay nahatonga ny toe-javatra niharatsy ho an'ny Isiraelita. Nitombo ny fahorian'izy ireo, ary nihanavesatra sy nihasarotra ny asa mafiny andavanandro. Nampangaina ho malaina izy ireo; nohamafisina kokoa ny fitondrana azy, ary vao mainka nohasarotina noho izay efa niainany ny fanompoany.

Tsy faly ny mpifehy ireo vahoaka ireo, ary ratsy tokoa ny fifandiran'lzy ireo tamin'i Mosesy sy i Arona. Ary ho hitantsika ao aoriana kely fa naneho mialoha ireo fifandirana hitranga eo amin'i Mosesy sy ny vahoakany amin'ireo taona ho avy izany.

Vakio ny Eks. 5:21, rehefa izay, dla mipetraha eo amin'ny toeran’ireo lehilahy ireo raha nanandrina an'i Mosesy sy i Arona izy. Nahoana izy ireo no niteny tahaka izany?

Tsy sarotra ny mahita ny antony nahatezitra ireo lehilahy tamin'i Mosesy ("Jehovah anie hijery sy hitsara anareo" hoy izy Ireo). Nihevitra izy ireo fa tonga mba hanafaka azy amin'ny Egyptianina i Mosesy fa tsy hanao izay hahasarotra kokoa ny fiainany eo ambany vahohon'ny Egyptianina.

Araka izany, dia tsy maintsy niatrika olana avy tamin'ny vahoakany koa i Mosesy sy i Arona, ankoatra ny fiatrehana ny olana avy tamin'ireo Egyptianina.

Inona ny fomba tsara Indrindra azonao sy azon'ny hafa atao mba hlarahana mamaha olana amin'ireo mpitondra fivavahana rehefa mitranga ny fifandirana, raha tsy azo idifiana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal