FIANARANA FANAMPINY
Vakio "Ny loza tany Egipta", ao amin'ny PM, tt. 243-250 (ed. 2014).
Jereo ny firosoan'ny toe-javatra ho amin'ny ratsy kokoa ho an'i Mosesy sy ny olony taorian'ny nanatonan'i Mosesy voalohany an'l Farao.
"Rehefa nahazo porofo marina ny mpanjaka, dia nahiany ho nikomy sy nandao ny asany nampanaovina azy ny zanak'i Isiraely. Tsy inona izany tetika izany, hoy ny fiheverany, fa vokatry ny fahalainany, noho izany dia nataony izay tsy hananany fotoana hanomanana izany teti-dratsy izany. Avy hatrany dia namoaka didy izy mba hanamafisana ny gadrany sy hamongorana ny ao anatiny rehefa mety ho fanahim-pitadiavana fahaleovan-tena. Androtr'iny ihany dia nisy baiko nomena hahatonga ny fanompoany vao mainka ho mafy sy manahirana. Fampiasa nahazatra tamin'ny fanaovan-trano ny biriky nahahy tamin'ny hainandro. Mpanompo hebreo marobe no niasa tamin'ny fanaovana azy. Natao tamin'ny biriky ireny, voalalotra vato voapaika ny eo ivelan'ny rindrin'ireo tranobe tsara tarehy. Ampifangaroina amin'ny tanimanga anaovam-biriky ny mololo mba hiraikitra kokoa, ary be dia be ny mololo nilaina tamin'izany. Nandidy anefa ny mpanjaka mba tsy homena mololo intsony ny mpanao biriky, ka dia izy ihany no handeha hanangona, kanefa ny isan'ny biriky fanaony teo aloha dia mbola hataony ihany.
Nahareraka ny fon'ny olon'i Isiraely izany didy navoaka izany. Noho ny didin'ny mpanjaka anefa dia niely eran'ny tany Egipta rehetra ny olona mba hifako vodivary mba ho solon'ny mololo, nefa tsy nahavita ny isan'ny biriky teo aloha izy. Noho ny baikon ireo mpampiasa egiptianina dia nokapohina mafy ny mpifehin'ny zanak'i Isiraely ka lasa nitaraina tamin'i Farao." - PM, ed. 2014, tt. 244, 245.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Eritrereto ny fotoana iray teo amin'ny fialnanao izay nanekenao ny antson' Andriamanitra nefa tsy nizotra araka ny tokony ho izy ny toe-javatra na koa ratsy fanombohana. Inona ny lesona nianaranao avy tamin'izany fanandramana izany rehefa nandeha ny fotoana?
2. Lazao amin'ny hafa ny fomba nidiran'Andriamanitra an-tsehatra teo amin'ny fiainanao tamin'ny fotoana nangatahanao ny fanampiany na tamin'ny fotoana tsy nanampoizanao izany. Ahoana no hahafahantsika mino ny fahatsaran Andriamanitra amin'ny fotoana isian'ny toe-javatra ratsy, eny na dia ho an'ireo izay matoky an'i Jehovah aza?
3. Inona no holazainao amin'ny olona iray izay milaza hoe: "Tsy fantatro Jehôvah", raha toa io olona io manambara izany toy ny zava-misy tsotra eo amin'ny fiainany fa tsy ho fihaikana tsy akory? Inona no azonao atao hanampiana azy "hahafantatra an'i Jehovah" sy hanazavana aminy ny maha-zava-dehibe ny hahafantarany an'Andriamanitra?