Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Molotra tsy voafora.

Daty
Alarobia 16 July 2025

MOLOTRA TSY VOAFORA

Nanome toky lehibe an'i Mosesy tokoa Andriamanitra ny amin'izay hataony. Na dia azo antoka aza fa nampahery an'l Mosesy izany fihaonana tamin'Andriamanitra izany, dia azo inoana fa tao anatin'ny fotoana fohy ihany no nahazoany faherezana, noho ny amin'ny valinteny azony avy tamin'ny vahoakany.

Vakio ny Eks. 6:9-13. Inona no nitranga taorlan'izany, ary inona ny lesona azontsika raisina avy amin'io tantara io mahakasika ny fotoan'ny fahadisoam-panantenana sy ny ady sarotra eo amin'ny fiainantsika?

Namoy fo ireo Hebreo noho ny fahoriany sy ny fijaliany ary ny asa mafy nataony ka tsy nihaino intsony ny tenin'i Mosesy izay nanome toky azy fa hiditra an-tsehatra Andriamanitra ary hanatanteraka izay efa nampanantenainy. Efa ela tokoa no niandrasan'izy ireo nefa tsy mbola hitany izay nandrandrainy. Nahoana moa no hiova izany ankehitriny? Kivy sy very fanantenana izy ireo; azo antoka fa nangidy kokoa taminy ny toe-javatra. Azo heverina mantsy fa sambany teo amin'ny fiainan'izy ireo no nisy fanantenana ny amin'ny hanafahana azy nefa izao dia rava indray izany fanantenana izany.

Iza amintsika moa no tsy mbola teo amin'izany toerana izany? Iza no tsy mbola nahatsapa fahakiviana, fahadisoam-panantenana, tsy fahafaham-po-eny nahatsapa ho nafoin'Andriamanitra mihitsy aza?

Tsaroanao ve ny tantaran'i Joba? Ahoana koa ny amin'i Asafa, ilay mpanao Salamo izay nitolona mafy tamin'ireo fanontaniana maro tao an-tsainy mikasika ny fahombiazan'ny ratsy fanahy sy ny fahorian'ny marina? Teo anatrehan'ireo tolona mafy natrehiny anefa, dia nanambara ny finoany tamin'ny fomba kanto indrindra i Asafa: "Nefa izaho dia eo Aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao. Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin'ny voninahitra aho. Iza no ahy any an-danitra? Ary tsy misy ety ambonin'ny tany iriko tahaka Anao. Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra." - Sal. 73:23-26.

Nanome toky ny vahoakany Andriamanitra, amin'ny alalan'ireo tantara masina, fa momba azy ireo Izy (Isa. 41:13; Mat. 28:20). Omeny azy ireo ny Fiadanany sy ny Fampaherezany, ary Izy no manatanjaka azy ireo mba hahaizany miatrika ireo zava-tsarotry ny fiainana (Jao. 14:27; Jao. 16:33; Fil. 4:6,7).

Maneho ny fifandraisana ety irin'Andriamanitra hananana amin'ny vahoakany ny tenin'ny fanekena, manao hoe: "Dia halaiko ho Ahy hianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho." - Eks. 6:7.

Saintsaino ny teny hoe: "Dia halaiko ho Ahy hianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho." - Eks. 6:7. Na miantefa amin'ny vondron'olona aza izany ao anatin'ity tontolon-kevitra ity, ahoana no ampiharana izany amin'ny tsirairay avy amintsika? Ary ahoana no tokony hisehoan'izany fifandraisana Izany eo amin'ny fialnantsika andavanandro? (Jereo koa ny 2 Kôr. 6:16)

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal