Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.

Daty
Alahady 11 January 2026

 Vakio ny Fil. 1:19,20. Inona no antenain'i Paoly ho vokatry ny fahoriana iaretany? Inona no heveriny ho manan-danja kokoa noho ny hoe afaka madiodio eo anatrehan'ny fitsarana eto an-tany?

Na tsy jiolahy aza i Paoly, dia tsy io no fotoana voalohany nampidirana azy an-tranomaizina, ary efa zatra ny fanenjehana izy. Notantarainy an-tsipiriany tamin'ny Korintianina ny fahoriana natrehiny tamin'izany fotoana izany: "amin'ny trano-maizina matetika kokoa, amin'ny kapoka be eta izay tsy izy, amin'ny fahafatesana matetika. lndimy aho no nokapohin'ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy. Intelo nokapohina tamin'ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray afina no nitoetra teo amin'ny lalina, nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin'ny ony, saiky nahita loza tamin'ny jiolahy, saiky nahita loza tamin'ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin'ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin'ny tanana aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin'ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin'ny rahalahy sandoka aho, tamin'ny fisasarana sy ny fikelezan-aina, tamin'ny tsi-fahitan-tory matetika, tamin'ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin'ny fifadian-kanina matetika, tamin'ny hatsiaka sy ny fitanjahana." - 2 Kor. 11:23-27.

Saingy mba tsy hiheverana fa ireo fahoriana ireo no nibahana tao an-tsainy, dia nampian'i Paoly avy hatrany hoe: "Afa-tsy ireo zavatra ivelany dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan-andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra." 2 Kor. 11:28.

Vakio ny 1 Kor. 4:14-16; 1 Tes. 2:10,11; Gal. 4:19; ary ny Filem. 10. Inona ny fifandraisana ananan'i Paoly amin'ireo fiangonana naoriny sy ireo olona babony ho an'i Kristy?

Tahaka an'i Jesôsy , izay nahafoy ny zavatra rehetra mba hamonjena antsika, dia vonona ny "handany sy holanina" i Paoly ho an'ny namany mpino (2 Kor. 12:15). Saingy tsy araka ny anantenana azy, arakaraka ny itovian'ny asan'ny olona iray amin'ny asan'i Jesosy no mampihena ny fitiavana sy ny fankasitrahan'ny sasany izany olona izany. "Eny, izay rehetra to-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina" - 2 Tim. 3:12. Inoana anefa fa ny Kristianina mahatoky no fitaovana mahery vaika indrindra hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra sy hanambarana ny fahamarinan'ny filazantsara (ampitahao amin'ny Fil. 1:7). "Toy ny toriteny tsy nisy fahatapahany ny faharetana sy ny herimpo nasehon'i Paoly nandritra ny namatorana az-y tsy an-drariny sady ela dia ela, toy izany koa ny firedaredan'ny finoany." — vM, t. 404.

Diniho ny fomba fiainanao sy ny tomba fifandraisanao amin'ny olona, indrindra fa amin'ireo izay tsy mitondra anao tsara. Karazana vavolombelon'i Jesôsy manao ahoana no fahitan'ny olona anao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal