Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.

Daty
Alarobia 15 July 2026

Vakio ny 1 Kor. 4:1,2. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo mikasika ny tokony ho fomba fijery hananana momba ny olombelona mpitarika?

Asehon'i Paoly ao amin'ny 1 Kor. 3:1-4 fa ny tsy fahamatorana ara-panahyno mahatonga ny fisaratsarahana. Mialoha ny niresahany momba io lohahevitra io anefa, dia hoy izy: «Izahay manana ny sain'i Kristy» - 1 Kor. 2:16. Azo inoana ho manondro ny fomba fisainan'i Kristy sy ny fiasany izany. Raha lazaina amin'ny teny hafa, ny mpino dia manana «ny sain'i Kristy» rehefa misaina sy miasa tahaka an'i Kristy. Tsy dia mora loatra anefa ny maneho izany saina izany eo amin'ny lafim-piainana rehetra, sa ahoana hoy ianao?

Nisy fifaninanana be teo amin'ireo mpanao politika, ireo filozofa, ireo mpandinika, ary ireo mpitondra fivavahana teo amin'ny tontolo grika-romanina. Ny faniriana hahazo sitraka ara-kolontsaina no toa nitarika ny fiangonana tao Korinto hanaraka ny fenitr'izao tontolo izao. Mety ho loza ho an'ny fiangonana ankehitriny koa izany.

Vakio ny Fil. 2:5-8. Ahoana no anampian'ireo andinin-teny Ireo antsika hahatakatra ny tiana hambara amin'ny hoe «ny sain'l Kristy» - 1 Kor. 2:167

Niseho tao amin'ny fiangonana tao Filipy koa, tahaka ny tao amin'ny fiangonana tao Korinto (Fil. 2:1-4), ny fisarahana, na dia mety ho tamin'ny endriny malefaka kokoa aza. Mampianatra antsika ny Fil. 2:1-8 fa mitaky ny fahafatesan'ny "izaho" sy ny fialana amin'ny toe-tsaina feno fitiavan-tena, ary ny fiezahana kosa hihevitra ny hafa mihoatra noho ny tenantsika, ny fanompoana tahaka ny an'i Kristy.

Fanompoana tahaka ny an'i Kristy no tian'i Paoly holazaina amin'ny hoe « mpanompon'i Kristy» - 1 Kor. 4:1. Mety hidika koa io andian-teny io fa manompo an'i Kristy amin'ny maha-mpanampy na olona eo ambany fahefan'i Kristy izy ireo. Mazava fa mifototra amin'ny ohatra nasehon'i Kristy teo amin'ny fitarihana ny fomba fijery marina momba ny olombelona mpitarika. «Mpitandrina» koa no anoritsoritana ireo mpanompo ireo (1 Kor. 4:1,2). Olona nanankinana ny fitantanana ny fananan'ny olona iray hafa no atao hoe mpitandrina. Ary na inona na inona fananantsika, dia an'i Kristy rahateo avokoa izy rehetra.

Saintsaino amim-pivavahana ny hafatra ao amin'ny Fil. 2:5-8. Ahoana no ahafahantsika mahatakatra izay ambaran'izany momba ny fitiavan'Andriamanitra antsika, izay feno fahafoizan-tena? Ahoana koa no hianarantsika ho faty amin'ny "Izaho" mba hahafahantsika maneho io fitiavana io amin'ny manodidina antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal