Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 3: NY AO AMBADIKY NY TANTARA - Mandray na tsy mandray ny Teny

Daty
Talata 15 October 2024

Vakio ny Jao. 1:9-13. Inona ny zava-misy ambaran'i Jaona amin'ny fomba henjana eto, mahakasika ny fihetsiky ny olona manoloana an'i Jesôsy ?

Tsy ny mombamomba an'i Jesôsy fotsiny, ilay Teny (logos), no lazalazain'ny sasinteny ao amin'ny Jao. 1:1-18 fa resahiny koa ny fihetsiky ny olona eto amin'izao tontolo izao manoloana Azy. Ny "tena Mazava" no iantsoana Azy ao amin'ny Jao. 1:9, dia Ilay manazava ny olona rehetra tonga eto an-tany. Manazava an'izao tontolo izao io Fahazavana io mba hahatakaran'ny olona ny Teny. lzao no nambaran'i C. S. Lewis: "Tahaka ny finoako ny fiposaky ny masoandro no inoako ny fivavahana kristianina, tsy noho ny fahitako izany fotsiny fa noho ny fahitako ny zavatra hafa rehetra noho ny aminy." "Is Theology Poetry?" (n. p.: Samizdat University Press, 2014), t. 15, originally presented 1944.

Jereo ny tian'ny Jao. 1:9 hambara. Tonga amin'ny olon-drehetra ny fahazavana kanefa tsy ny rehetra no mandray tsara Azy. Ho hitantsika ao amin'ny lesona rahampitso ny maha-lohahevi-dehiben'ny filazantsaran'i Jaona ny fomba andraisan'ny olona na andavany an'i Jesôsy. Manomboka eto izany lohahevitra izany. Mampalahelo anefa fa tonga teo amin'ny olony ny Mesia, ny vahoaka lsiraely, saingy marobe no tsy nanaiky Azy ho Mesia.

Miresaka ny amin'izany lohahevitra mampalahelo izany i Paoly ao amin'ny Rôm. 9-11, izay nilazany fa Jiosy maro no nanda an'i Jesôsy. Tsy teny miiba anefa no namaranany izany; nolazainy fa Jiosy maro no hiara-manaiky amin'ny Jentilisa ny maha an'ny Mesian'izy ireo an'i Jesôsy. Nampitandrina ny Jentilisa izy mba tsy hizahozaho amin'ny Jiosy noho ny amin'ny fanekeny an'i Jesôsy. "Fa raha notapahina tamin'ny hazo oliva naniry ho azy hianao ka natsofoka tamin'ny hazo oliva tsara, nefa tsy tena sampany, mainka fa izay tena sampany no hatsofoka amin'ny hazo oliva nanapahana azy." - Rom. 11:24.

Tahatahaka izany ihany no ilazan'i Jaona fa izay rehetra mandray an'i Jesôsy ho Mpamonjiny dia ho tonga zanak'Andriamanitra. Amin’ny finoana ny Anarany no hahatanteraka izany (jereo ny Jao. 1:12,13).

Eo no ifandraisan'ny sasinteny sy ny famaranana ny filazantsaran'i Jaona. Resahin'ilay Apôstôly ao amin'ny Jao. 20:31 ny antony nanoratany: "mba hinoanareo fa Jesôsy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino hianareo." Araka izany, ny teny fampidirana sy ny famaranana dia karazan-tsinga iray, fitambaran-kevitra izay mamintina ireo zavatra rehetra eo anelanelany. Manondro ny tanjona fototry ny filazantsaran'i Jaona izany fifandraisana izany, dia ny hahatonga ny olona ho voavonjy noho ny finoana an'i Jesôsy Kristy ho Mpamonjy ny tenany.

Nanova ny fiainanao ve ny nahatonga anao ho zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra? Amin'ny fomba ahoana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (7)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal