Andalan-teny iray fanta-daza ao amin'ny Baiboly ny 1 K6r. 8:2: "Fa raha misy manao azy hahalala, dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantasy akory izy." Tsy misy lohahevitra iray izay fantatsika ny momba azy rehetra. Azontsika atao mandrakariva ny mahazo fahalalana bebe kokoa mikasika ny zavatra rehetra. Manao ahoana moa no mampitombina izany bebe kokoa raha momba ny fahamarinana mandrakizay mifandraika amin'Andriamanitra telo izay iray sy ny fahatongavan'Andriamanitra ho nofo? Matetika i Paoly no miresaka momba ny fietrena mahagaga nasehonli Kristy tamin'ny nahatongavany ho olona. Na ny mandrakizay aza dia tsy ampy mba handalinana momba izany lohahevitra izany.
Vakio ny Rom. 8:3; Heb. 2:14-18 ary ny Heb. 4:15. Inona no nanamarika ny fietren'i Jesosy sy ny nandraisany ny toetry ny olombelona?
Ahoana no nahatongavan'ilay Zanak'Andriamanitra mandrakizay ho olona sady Andriamanitra tao an-kibon'i Maria, tamin'ny alalan'ny asan'ny Fanahy Masina (jereo ny Lio. 1:35)? Tsy takatry ny saina ny nahatongavan'llay tsy manam-petra sy mandrakizay ho olona mety maty. (zany no ivon'izay antsoin'i Paoly hoe: "zava-rniafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriarnanitra." - 1 Tim. 3:16.
Ao amin'ny hira fiderana kanton'ny Fil. 2 no amelabelaran'i Paoly izany fietren'Andriamanitra izany amin'ny fomba feno kokoa raha oharina amin'ireo boky hafa ao amin'ny Soratra Masina.
• "Nanana ny endrik'Andriamanitra" - Fil. 2:6. Ny teny hoe morphe (endrika) dia maneho ny toetran'Andriamanitra izay itovian'i Jesosy amin'ny Ray (ampitahao amin'ny Jao. 1:1). • "Nofoanany ny tenany" - Fil. 2:7. Mahatalanjona tokoa ny toetra feno zava-miafina nananan'i Jesosy tamin'ny nanafoanany ny tenany ka namoizany ny zo maha Andriamanitra Azy, mba hahatonga Azy ho tena olombelona sy halaim-panahy tahaka antsika.
• "Nanetry tena" - RI. 2:8. Rehefa nitafy ny toetry ny olombelona i Jesosy dia niala avy tamin'ny fahamboniana manerana izao rehetra izao ka naka ny toeran'ny mpanompo; nifanohitra tanteraka tamin'izany ny tanjon'i Losifera.
• "Fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana'' - Fil. 2:8. Tsy misy fomba manala baraka mihoatra noho izay nofidin'i Jesôsy hahafaty Azy. Nanomana izany niaraka tamin'ny Ray Izy tao anatininy "fisainam-pihavanana" (Zak. 6:13), naneho izany mialoha tamin'ny alalan'ny fanandratan'i Mosesy ny menarana (Nom. 21:9; Jao. 3:14) ary tonga "ota hamonjy antsika (...) mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika." - 2 Kôr. 5:21.
Mety hahatonga antsika ary tokony hahatonga antsika hanetry tena sy hilefitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra kokoa ny fifantohana amin'izay nataon'i Jesôsy ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana. Amin'ny fomba ahoana?