Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : MAHARIPO SY MIANTRA ANDRIAMANITRA - Fianarany fanampiny

Daty
Zoma 24 January 2025

Vakio "Ny tena fahasambarana", toko faha-2 ao amin'ny boky SAMBATRA.

"Koa hohamarinina sy hohatanjahina amin'ny fibanjinany an'i Kristy izay rehetra mahatsapa ny tena fahantrany am-panahy ary mahatsiaro fa tsy misy na inona na inona tsara ao aminy. Hoy ny Tompo: 'Mankanesa aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entanaMat. 11:28. 
Mangataka anao hanakalo ny fahantranao amin'ny haren'ny fahasoavany Izy. Tsy mendrika velively ny holalain’Andriamanitra isika, fa i Kristy, Ilay Tokintsika, no mendrika, sady afaka tanteraka hamonjy izay rehetra manatona Azy. Na toy inona na toy inona haratsin'ny toe-piainanao tamin'ny lasa, ary na manao ahoana na manao ahoana haben'ny hakivianao mahita ny ankehitriny, raha mety manatona an'i Kristy amin'izao toetranao malemy sy osa ary very hevitra izao ianao, dia hanoro lala-malalaka hahafahanao Ilay Mpamonjy tia, ka hisakambina anao amin'ny sandrim-pitiavany, ary hanafy anao amin'ny akanjom-pahamarinany.

Voatafy akanjo fotsy no hitondrany antsika miseho eo anatrehan'ny Rainy. Ilay toetrany madio tsy misy pentina mihitsy no atafiny antsika ary toa izao ny fitarainany: 'Ray marina ô  nisolo voina an'ity mpanota ity Aho. Aza ny firenireneny no jerenao, fa Izaho jerena. Eny, na dia hiantsoantso hiampanga antsika aza i Satana, ka hitory antsika ho mpanota, ary hilaza antsika ho zanany, ny ran'i Kristy dia manan-kery be lavitra hiady ho antsika." - S, tt. 12, 13.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Jereo ny fanambaran'ny Fanahin'ny Faminaniana etsy ambony momba ny fanehoana antsika eo anatrehan'ny Ray noho ny amin'i Jesôsy. "Voatafy akanjo fotsy no hitondrany antsika miseho eo anatrehan'ny Rainy. Ilay toetrany madio tsy misy pentina mihitsy no atafiny antsika." Mety ho kivy isika indraindray noho ireo fahadisoana sy tsy fahatanterahantsika, na koa matetika isika no tsy maneho amin'ny hafa ny fitiavana izay arotsak'Andriamanitra amintsika, nahoana anefa isika no tokony hahatsiaro mandrakariva ny vaovao mahafaly fa eken'ny Ray isika satria i Jesôsy no mampitafy antsika Ilay toetrany madio tsy misy pentina?

2. Alao sary an-tsaina ny fihetsehampon'ilay renim-pianakaviana tao anatin'ilay tantaran'ny vehivavy anankiroa nankeo amin'i Sôlômôna mba hilaza fa azy ilay zaza teny an-trotroany. Diniho indray ny fomba fiteny feno fihetseham-po ao amin'ny 1 Mpanj. 3:26. Ahoana no anasongadinan'izany ny fomba fiteny ampiasaina hoenti-milaza ny fihetsehampon'Andriamanitra manoloana ny olony, ao amin'ny Hôs. 11:87

3. Hitantsika manerana ny Filazantsara fa matetika i Jesôsy no onena ny vahoaka noho ny fahorian'izy ireo. Inona no nataony teo anatrehan'izany? Nataony izay hanomezana ny zavatra nilain'ny olona. Inona avy ireo fomba azonao atao, ianao manokana na ny kilasinao, mba hanomezana ny zavatra ilain'ireo mila fanamaivanana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal