Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : MAHARIPO SY MIANTRA ANDRIAMANITRA - Mahari-po sy miantra

Daty
Alakamisy 23 January 2025

Be fahari-po sy fiantrana ilay Andriamanitry ny Baiboly, ary ao amin'i Jesôsy Kristy no isehoan’ireo fihetsehampon’Andriamanitra ireo faratampony indrindra. Miray fo amintsika Andriamanitra (ampitahao amin'ny Isa. 63:9; Heb. 4:15); mahakasika Azy lalina ny fahorian'ny vahoakany (Mpits. 10:16; Lio. 19:41), ary vonona Izy ny hihaino sy hamaly ary hampionona azy ireo (Isa. 49:10,15; Mat. 9:36; Mat. 14:14).

Vakio ny 1 Kôr. 13:4-8. Ahoana no anasan'ireo andalan-teny ireo antsika haneho taratra ny fitiavan'Andriamanitra mahatalanjona sy feno fahari-po eo amin'ny fifandraisantsika amin'ny hafa?

Irintsika ny hanana fifandraisana amin'ny olona izay maneho ny karazam-pitiavana voalazan'ny 1 Kôr. 13:4-8. Impiry anefa isika no mikatsaka ny hampiseho ireo toetra ireo amin'ny hafa? Tsy haintsika samirery ny hamindra fo sy halemy fanahy; tsy haintsika ny mifehy tena tsy hialona na hirehareha, tsy hanao izay tsy mahamendrika na ho tia tena. Tsy haintsika ny hanana fitiavana izay "mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra" ary "tsy ho levona mandrakizay - 1 Kôr. 13:7,8. Tsy ho hita taratra eo amin'ny fiainantsika ny fitiavana tahaka izany raha tsy vokatry ny Fanahy Masina irery ihany. Ary isaorana Andriamanitra noho ny amin'ny Fanahy Masina izay mandrotsaka ny Fitiavany ao am-pon'ireo izay ao amin'i Kristy Jesôsy, amin'ny alalan'ny finoana (Rôm. 5:5).

Noho ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny herin'ny Fanahy Masina, ahoana no ahafahantsika manisy setriny sy maneho taratra ny fitiavan'Andriamanitra izay vokatry ny fihetsehampo lalina nefa ara-drariny sy feno fahendrena mandrakariva? :

-Voalohany, ny fiankohofana amin'ilay Andriamanitra fitiavana no valinteny mety indrindra ho an'izany.  
-Faharoa, ny fanehoana fangorahana sy fitiavana feno fahalalahan-tanana amin'ny hafa no tokony hasetrintsika ny fitiavan'Andriamanitra. Tsy natao handray fampaherezana fotsiny isika ao amin'ny finoana kristianina fa tokony hazoto hampahery ny hafa koa. 
-Farany, tokony ho tsapantsika fa tsy mahay manova ny fontsika isika, Andriamanitra irery no mahay manao izany.

Noho izany, andeha isika hangataka amin'Andriamanitra mba hanomezany fo vaovao hitiavana Azy sy hitiavana ny hafa - fitiavana madio sy voadio izay manandratra ny tsara ary manaisotra ny akofa tsy ho ao anatiny.

Aoka ho tahaka izao ny vavaka asandratsika: "ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin'ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, (...) mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin'ny fahamasinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika amin'ny fihavian'i Jesôsy Tompontsika mbamin'ny masiny rehetra." - 1 Tes. 3:12,13.

Nahoana ny fahafatesana amin'ny tena sy amin'ny fitiavan-tena ary amin'ny faharatsian'ny fo nofontsika no hany fomba hahafahana maneho izany karazam-pitiavana izany? Inona ny safidy azontsika atao mba hahatonga antsika ho faty amin'ny tena?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal