Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : MAHARIPO SY MIANTRA ANDRIAMANITRA - Mihoatra noho ny fitiavan’ny reny

Daty
Alahady 19 January 2025

Azo heverina fa ny fitiavan'ny ray aman-dreny ny zanany no fitiavana lehibe indrindra eo amin'ny fanandramam-piainan'ny zanak'olombelona. Matetika ny Baiboly no mampiasa ny sary an'ohatra momba ny fifandraisan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka mba hanehoana ny fiantrana mahatalanjona asehon'Andriamanitra amin'ny zanany. Asongadiny amin'izany fa ny fiantran'Andriamanitra dia lehibe lavitra noho ny fanehoan'ny olombelona io fihetsehampo io amin'ny fomba lalina sy tsara indrindra.

Vakio ny Sal. 103:13 sy ny Isa. 49:15 ary ny Jer. 31:20. Inona no ambaran'ireo fanehoana an-tsary ireo momba ny toetry ny fiantran'Andriamanitra sy ny halalin’izany?

Raha jerena ireo toko sy andininy ireo, dia toy ny zanaka malala no fandraisan’Andriamanitra antsika; tia antsika toy ny fitiavan'ny ray sy ny reny mendrika ny zanany Izy. Na izany aza, araka ny fanazavan'ny Isa. 49:15, dia mety "manadino ny zanany minono" ny renim-pianakaviana ary mety "tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony", fa Andriamanitra kosa tsy mba manadino ny zanany ary tsy mitsahatra ny fiantrany (Fit. 3:22).

Tsara homarihina fa ny teny hebreo raham ilazana ny fiantrana eto sy any amin'ireo andalan-tSoratra Masina hafa izay milazalaza ny fitiavan-dehibe feno fiantran Andriamanitra dia azo inoana fa avy amin'ny teny hebreo hoenti-milaza ny "kibo" (rehem). Noho izany, araka ny fanamarihan'ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly, ny fiantran'Andriamanitra dia tahaka ny "fitiavan'ny reny izay nitondra an-kibo." Raha ny marina, dia lehibe lavitra izany raha oharina amin'ny fiantran'olombelona, eny, mihoatra noho ny fiantran'ny reny ny zanany vao teraka aza.

Ambaran'ny Jer. 31:20 fa tahaka ny "zanaka malala" sy "zanaka mahafinaritra" no andraisan'i Jehôvah ireo vahoaka nanaovany fanekena na dia mikomy Aminy matetika sy mampalahelo Azy aza izy ireo. Eo anatrehan'izany, dia izao no ambarany: "onena azy ny foko" ary "hamindra fo aminy tokoa Aho." Ny teny nadika hoe "famindrampo" eto no nampiasaina teo ambony hoenti-milaza ny fiantran'Andriamanitra (raham). Ho fanampin'izany, ny hoe "onena (...) ny foko" dia azo adika ara-bakiteny hoe "maneno ny tsinaiko." Izany fanoritsoritana izany no teny miloatra avy any anaty lalina hoenti-maneho ny fihetsehampon'Andriamanitra, izay mampiseho ny halalin'ny fitiavan'Andriamanitra ny olony sy ny fiantrany azy ireo. Na dia tsy mahatoky aza ireo vahoakany dia mbola mandrotsaka ny famindrampony sy ny fiantrany amin'izy ireo hatrany Andriamanitra ary manao izany mihoatra lavitra noho izay mety ho takatry ny fisainana.

Ho an'ny sasany amintsika, dia mampahery tokoa ny fahafantarana fa tahaka ny fiantran'ny ray na ny reny tia ny zanany ny fiantran'Andriamanitra antsika. Mety ho sarotra ho an'ny olona hafa kosa ny handray izany noho izy ireo tsy mba nanehoan'ny ray aman-dreniny fitiavana. Inona ny fomba hafa hahazoana maneho ny fiantran’Andriamanitra amin'izy ireny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.
Sun 14 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny trano-lay fihaonana.
Mon 15 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba hahalalako Anao.
Tue 16 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba ampahitao ny voninahitrao aho.
Wed 17 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny fanambaran’Andriamanitra momba ny tenany.
Thu 18 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Namirapiratra ny tavan’i Mosesy.
Fri 19 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.
Sun 07 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Tsy fahaiza-mitondra.
Mon 08 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fanompoan-tsampy sy ny faharatsiana.
Tue 09 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Efa nanao ratsy ny olonao.
Wed 10 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fahatezeran’Andriamanitra ara-drariny.
Thu 11 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Vavaka fanelanelalana
Fri 12 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fianarana fanampiny’
Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.
Sun 21 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny sabatan’i Jehôvah.
Mon 22 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatitra sy ny Fanahy Masina.
Tue 23 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Voaorina ny tabernakely.
Wed 24 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Ny fanatrehan’Andriamanitra tao amin’ny Tabernakely.
Thu 25 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Nonina niaraka tamin’ny olombelona i Jesôsy.
Fri 26 Sep 2025
LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (49)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal