Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4 : MAHARIPO SY MIANTRA ANDRIAMANITRA - Mihoatra noho ny fitiavan’ny reny

Daty
Alahady 19 January 2025

Azo heverina fa ny fitiavan'ny ray aman-dreny ny zanany no fitiavana lehibe indrindra eo amin'ny fanandramam-piainan'ny zanak'olombelona. Matetika ny Baiboly no mampiasa ny sary an'ohatra momba ny fifandraisan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka mba hanehoana ny fiantrana mahatalanjona asehon'Andriamanitra amin'ny zanany. Asongadiny amin'izany fa ny fiantran'Andriamanitra dia lehibe lavitra noho ny fanehoan'ny olombelona io fihetsehampo io amin'ny fomba lalina sy tsara indrindra.

Vakio ny Sal. 103:13 sy ny Isa. 49:15 ary ny Jer. 31:20. Inona no ambaran'ireo fanehoana an-tsary ireo momba ny toetry ny fiantran'Andriamanitra sy ny halalin’izany?

Raha jerena ireo toko sy andininy ireo, dia toy ny zanaka malala no fandraisan’Andriamanitra antsika; tia antsika toy ny fitiavan'ny ray sy ny reny mendrika ny zanany Izy. Na izany aza, araka ny fanazavan'ny Isa. 49:15, dia mety "manadino ny zanany minono" ny renim-pianakaviana ary mety "tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony", fa Andriamanitra kosa tsy mba manadino ny zanany ary tsy mitsahatra ny fiantrany (Fit. 3:22).

Tsara homarihina fa ny teny hebreo raham ilazana ny fiantrana eto sy any amin'ireo andalan-tSoratra Masina hafa izay milazalaza ny fitiavan-dehibe feno fiantran Andriamanitra dia azo inoana fa avy amin'ny teny hebreo hoenti-milaza ny "kibo" (rehem). Noho izany, araka ny fanamarihan'ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly, ny fiantran'Andriamanitra dia tahaka ny "fitiavan'ny reny izay nitondra an-kibo." Raha ny marina, dia lehibe lavitra izany raha oharina amin'ny fiantran'olombelona, eny, mihoatra noho ny fiantran'ny reny ny zanany vao teraka aza.

Ambaran'ny Jer. 31:20 fa tahaka ny "zanaka malala" sy "zanaka mahafinaritra" no andraisan'i Jehôvah ireo vahoaka nanaovany fanekena na dia mikomy Aminy matetika sy mampalahelo Azy aza izy ireo. Eo anatrehan'izany, dia izao no ambarany: "onena azy ny foko" ary "hamindra fo aminy tokoa Aho." Ny teny nadika hoe "famindrampo" eto no nampiasaina teo ambony hoenti-milaza ny fiantran'Andriamanitra (raham). Ho fanampin'izany, ny hoe "onena (...) ny foko" dia azo adika ara-bakiteny hoe "maneno ny tsinaiko." Izany fanoritsoritana izany no teny miloatra avy any anaty lalina hoenti-maneho ny fihetsehampon'Andriamanitra, izay mampiseho ny halalin'ny fitiavan'Andriamanitra ny olony sy ny fiantrany azy ireo. Na dia tsy mahatoky aza ireo vahoakany dia mbola mandrotsaka ny famindrampony sy ny fiantrany amin'izy ireo hatrany Andriamanitra ary manao izany mihoatra lavitra noho izay mety ho takatry ny fisainana.

Ho an'ny sasany amintsika, dia mampahery tokoa ny fahafantarana fa tahaka ny fiantran'ny ray na ny reny tia ny zanany ny fiantran'Andriamanitra antsika. Mety ho sarotra ho an'ny olona hafa kosa ny handray izany noho izy ireo tsy mba nanehoan'ny ray aman-dreniny fitiavana. Inona ny fomba hafa hahazoana maneho ny fiantran’Andriamanitra amin'izy ireny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal