Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 24 April 2026

Rehefa mandinika ireo teny nolazainao tao anatin'ny 24 ora farany lanao, manao ahoana no fahitanao azy? Moa ve izany feno fitiavana, hatsaram-panahy, fifaliana, fampaherezana, sa feno fahasorenana, harerahana, fanahiana, hatezerana, fifosana, na haratsiam-panahy? Hoy ny Baiboly: "Fa avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan ny vava Mat. 12:34. Raha feno loto ao am-pontsika, dia miseho amin'ny fitenintsika izany.

Samy efa nahatsapa fahasorenana, harerahana, na rarin-tsaina isika rehetra, ary misy akony aminizay aloaky ny vavantsika izany (matetika teny izay hanenenantsika any aoriana). Rehefa feno fitiavana ho an'ny olona iray kosa ny fontsika, dia hita amin'ny fitenintsika koa izany.

Ny Tenin Andriamanitra koa dia teny avy amin'ny fony sy ny fikasany ho antsika. Mahavariana ny mieritreritra fa ireo teny ireo mihitsy, izay avy ao am-pon'Andriamanitra, no eo am-pelatanantsika ao amin'ny Baiboly. Mahatalanjona tokoa ny mahita ny herin'ny tenin Andriamanitra miseho manerana ny tantara.

"Boky misy torahevitra mahasoa ny Baiboly ka ilaina ny mitandrina azy raha mbola ekena koa izany amin'ny vaninandro sy ny sehatra misy antsika. Tsara ny fandraisantsika ny Baiboly toy izany kanefa tokony horaisintsika amin'ny tena maha-izy azy marina koa ny Baiboly, dia amin'ny maha-tenin'Andriamanitra velona azy, teny fiainana, ary amin'ny maha-teny izay mamolavola ny asantsika, ny fitenintsika ary ny fisainantsika azy. Raha latsaka noho izany no andraisantsika ny tenin'Andriamanitra dia mitovy amin'ny manda azy ihany izany. Íreo izay milaza fa mino kanefa manda ny teny tahaka izany no tena antony mahatonga ny tanora ho feno fisalasalana sy tsy fahatokiana." - FK, 1. 295.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Inona avy ireo antony inoarnao, izay lojika sy mitombina avokoa? Mety ho maro lavitra noho izay heverinao izany.

2. Ahoana no hahazoanao antoka fa miorina amin'ny fandinihana ny Baiboly sy ny vavaka ny fifandraisanao amin'Andriamanitra? Ahoana no hanananao fifandraisana amin'Andriamanitra raha tsy misy vavaka sy fandinihana ny Baiboly?

3. Raha misy olona maniry hitombo amin'ny fifandraisany amin'Andriamanitra, aiza ny andinin-teny hatoronao azy mba hovakiny voalohany?

4. Ahoana no ahafahanao mivelona amin'ny teny rehetra izay aloaky ny vavan Andriamanitra? (Deo. 8:3). Toy ny ahoana no tokony ho fisehon izany eo amin'ny fiainanao?

5. Inona no lazainireto andalan-tsoratra manaraka ireto amintsika momba ny tenin Andriamanitra? Heb. 11:3; Sal. 33:6; Mat. 11:4.5; 1 Tes. 4:16; Efes. 6:17: Jak. 1:21.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal