Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.

Daty
Alarobia 28 January 2026

Efa voalaza tany aloha ny anjara asan'i Timoty amin'ny maha mpiara-manoratra ny epistily azy (Fil. 1:1). Izao i Paoly dia manomboka mitanisa an-tsipiriany ny maha sarobidy an'i Timoty amin'ny maha mpiara-miasa aminy azy. Nolazainy fa evanjelista izy (2 Tim. 4:5) izay nirahin'i Paoly tany Makedonia (1 Tes. 3:2; ampitahao amin'ny Asa. 18:5; Asa. 19:22) ary, imbetsaka, tany Korinto (1 Kôr. 4:17; 1 Kôr. 16:10). Niasa niaraka tamin'i Paoly sy i Silasy tany Korinto izy talohan'izany (1 Tes. 1:1; 2 Tes. 1:1) ary, taty aoriana, tany Efesosy (1 Tim. 1:2,3; ampitahao amin'ny Asa 19:22). Nosoritsoritan'i Paoly ho "mitovy fanahy" aminy i Timoty (Fil. 2:20). Ny teny Grika nadika hoe "mitovy fanahy" dia manondro fa nitovy tamin'i Paoly tamin'ny lafiny maro izy, anisan'izany ny fanolorany ny tenany ho an'i Kristy, ny ezaka feno hafanam-po nitoriany ny filazantsara, ary ny fitsinjovany manokana ireo Filipianina.

Nahoana, araka ny hevitrao, no nanokana fotoana lava niresahana ny toetra tsara nananan'i Timoty i Paoly (jereo ny Fil. 2:19-23)? Inona koa no nolazain'i Paoly momba azy (jereo ny 1 Kôr. 4:17; 2 Tim. 1:5)?

Toetra iray hafa resahin'i Paoly momba an'i Timoty koa ny hoe "lehilahy voazaha toetra" (Fil. 2:22). Ny teny Grika ampiasaina eto dia mamaritra olona izay nandalo fisedrana mahamay maro (Rôm. 5:4), ary ny toetrany sy ny fanompoany dia voaporofo fa mahatoky (2 Kor. 2:9; 2 Kôr. 9:13). Fantatr'i Paoly fa marina izany momba an'i Timoty satria hitany nandritra ireo fotoana maro niarahany niasa taminy nitory ny filazantsara izany.

Ny zava-tsarotra eo amin'ny fiainana no mizaha toetra antsika sy mampiseho, marina ny ao anatintsika. Hoy i Ellen G. White momba izany: "Mitaiza ny fiainana. (...) Hisy ny fihantsiana mba hitsapana ny fahatezerana; ary amin'ny fiatrehana izany amin'ny toe-tsaina araka ny tokony ho izy no itomboan'ny Kristianina amin'ny fahasoavana. Raha zakaina amim-pahamoram-panahy ny hasomparana sy ny fanarabiana, raha valiana amin'ny teny malefaka ny teny mandratra, ary valian-tsoa ny fampahoriana, dia porofo izany fa mitoetra ao am-po ny Fanahin'i Kristy." — TFC, b. 5, t. 344. Ary mbola tohizany hoe: raha "iaretana tsara" ireo "zava-tsarotra sy fanorisorenana niantsoana antsika mba hozakaina" dia "mamolavola toetra tahaka ny an'i Kristy izany, izay mampiavaka ny Kristianina amin'ny olon'izao tontolo izao." TFC, b. 5, t. 344.

Saino ny amin'ireo fihantsiana, zava-tsarotra, sy fanorisorenana natrehinao vao tsy ela izay. Nozakainao tamim-pahamoram-panahy sy niaretanao tsara ve izany? Inona no azonao atao mba hahatonga ireny fanandramana ireny ho mpitaiza anao ho amin'ny tsara? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.
Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY IRERY IHANY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal