Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FIJOROANA HO VAVOLOMBELON'IREO SAMARITANA - Ny sehatra nisehoan’ilay fihaonana

Daty
Alahady 27 October 2024

Vakio ny Jao. 4:1-4. Inona no zava-nitranga izay nahatonga an'i Jesôsy namaky an'i Samaria?

Hitan'ireo Fariseo fa nanao batisa betsaka noho izay nataon'i Jaona Mpanao batisa ny mpianatr'i Jesôsy. Mety hiteraka fifandonana eo amin'ireo mpanara-dia an'i Jaona sy ny mpanara-dia an'i Jesôsy izany. Saro-piaro tamin'ny hajan'ny mpampianatra azy sy ny toerana nisy azy ireo mpianatr'i Jaona (jereo ny Jao. 3:16-30). Nahavariana ny valin-tenin'i Jaona izay nilazany fa izy tsy maintsy mihena fa i Jesôsy kosa tsy maintsy mitombo (Jao. 3:30). Azo heverina fa mba hisorohana ny fifandonana no nialan'i Jesôsy tao Jodia ka nankanesany tany Galilia. I Samaria no làlana mahitsy indrindra nampitohy ireo toerana roa ireo, kanefa tsy tao ihany no làlana azo naleha. Ho nanaraka ny làlana nanodidina ny Jiosy iray mahafatra-po ka niatsinanana tany an-dafin'i Jôrdana (Perea). Nanana iraka tsy maintsy notontosaina tao Samaria anefa i Jesôsy.

Vakio ny Jao. 4:5-9. Ahoana no nanararaotan'i Jesôsy io fotoana io mba hitarihan-dresaka tamin'ilay vehivavy teo am-pantsakana?

Teo akaikin'i Sekema ny fantsakan'i Jakoba, ary i Sykara izay toerana niavian'ilay vehivavy indray dia tany amin'ny 1,5 km niala teo. Nipetraka teo anilan'ny fantsakana i Jesôsy  fa ireo mpianany kosa nandeha nitady hanina tany an-tanana. Tsy afaka naka ny rano nangatsiatsiaka tao amin'ny lavaka fantsakana Izy. Rehefa tonga mba haka rano ilay vehivavy dia nangataka rano taminy mba hosotroina Izy.

Mahagaga ny fahitana an'i Nikôdemôsy, mpanapaka iray teo amin'ny Jiosy sady Raby, nampietry ny tenany ka nanatona an'i Jesôsy , ao amin'ny Jao. 3. Tamin'ny alina izy no nanatona Azy mba tsy hisy hahita. Ao amin'ny Jao. 4 kosa, dia niafina tamin'ny andro antoandro ilay vehivavy; azo heverina fa nanao izay tsy hifankahitana tamin'ireo vehivavy hafa tonga mba hantsaka amin'ny maraina na amin'ny hariva izy, dia ny fotoana izay mampangatsiaka kokoa ny andro. Nahoana moa ity vehivavy ity no nandeha lalan-davitra tahaka izany mba hantsaka, ary koa amin'ny mitataovovona izay mampafana aoka izany ny andro? Na inona na inona antony nanaovany izany, dia nanova ny fiainany ny nihaonany tamin'i Jesôsy.

Inona ny toe-javatra taorian'izany? Nampitahaina tamin'ny vehivavy Samaritana iray izay ratsy laza ny mpampianatra Jiosy anankiray. Fahasamihafana manao ahoana re izany! Ao anatin'izany tontolon-kevitra izany ihany anefa no isehoan'ny fihaonana iray miavaka tokoa.

Inona no fady ao amin'ny kolontsaina misy anao izay mety hanembantsembana ny fijoroana ho vavolombelona amin'ny hafa? Ahoana no ianaranao hihoatra izany? Ento ao amin'ny kilasy ny valin-teninao amin'ny Sabata. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal