Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FIJOROANA HO VAVOLOMBELON'IREO SAMARITANA - Ny sehatra nisehoan’ilay fihaonana

Daty
Alahady 27 October 2024

Vakio ny Jao. 4:1-4. Inona no zava-nitranga izay nahatonga an'i Jesôsy namaky an'i Samaria?

Hitan'ireo Fariseo fa nanao batisa betsaka noho izay nataon'i Jaona Mpanao batisa ny mpianatr'i Jesôsy. Mety hiteraka fifandonana eo amin'ireo mpanara-dia an'i Jaona sy ny mpanara-dia an'i Jesôsy izany. Saro-piaro tamin'ny hajan'ny mpampianatra azy sy ny toerana nisy azy ireo mpianatr'i Jaona (jereo ny Jao. 3:16-30). Nahavariana ny valin-tenin'i Jaona izay nilazany fa izy tsy maintsy mihena fa i Jesôsy kosa tsy maintsy mitombo (Jao. 3:30). Azo heverina fa mba hisorohana ny fifandonana no nialan'i Jesôsy tao Jodia ka nankanesany tany Galilia. I Samaria no làlana mahitsy indrindra nampitohy ireo toerana roa ireo, kanefa tsy tao ihany no làlana azo naleha. Ho nanaraka ny làlana nanodidina ny Jiosy iray mahafatra-po ka niatsinanana tany an-dafin'i Jôrdana (Perea). Nanana iraka tsy maintsy notontosaina tao Samaria anefa i Jesôsy.

Vakio ny Jao. 4:5-9. Ahoana no nanararaotan'i Jesôsy io fotoana io mba hitarihan-dresaka tamin'ilay vehivavy teo am-pantsakana?

Teo akaikin'i Sekema ny fantsakan'i Jakoba, ary i Sykara izay toerana niavian'ilay vehivavy indray dia tany amin'ny 1,5 km niala teo. Nipetraka teo anilan'ny fantsakana i Jesôsy  fa ireo mpianany kosa nandeha nitady hanina tany an-tanana. Tsy afaka naka ny rano nangatsiatsiaka tao amin'ny lavaka fantsakana Izy. Rehefa tonga mba haka rano ilay vehivavy dia nangataka rano taminy mba hosotroina Izy.

Mahagaga ny fahitana an'i Nikôdemôsy, mpanapaka iray teo amin'ny Jiosy sady Raby, nampietry ny tenany ka nanatona an'i Jesôsy , ao amin'ny Jao. 3. Tamin'ny alina izy no nanatona Azy mba tsy hisy hahita. Ao amin'ny Jao. 4 kosa, dia niafina tamin'ny andro antoandro ilay vehivavy; azo heverina fa nanao izay tsy hifankahitana tamin'ireo vehivavy hafa tonga mba hantsaka amin'ny maraina na amin'ny hariva izy, dia ny fotoana izay mampangatsiaka kokoa ny andro. Nahoana moa ity vehivavy ity no nandeha lalan-davitra tahaka izany mba hantsaka, ary koa amin'ny mitataovovona izay mampafana aoka izany ny andro? Na inona na inona antony nanaovany izany, dia nanova ny fiainany ny nihaonany tamin'i Jesôsy.

Inona ny toe-javatra taorian'izany? Nampitahaina tamin'ny vehivavy Samaritana iray izay ratsy laza ny mpampianatra Jiosy anankiray. Fahasamihafana manao ahoana re izany! Ao anatin'izany tontolon-kevitra izany ihany anefa no isehoan'ny fihaonana iray miavaka tokoa.

Inona no fady ao amin'ny kolontsaina misy anao izay mety hanembantsembana ny fijoroana ho vavolombelona amin'ny hafa? Ahoana no ianaranao hihoatra izany? Ento ao amin'ny kilasy ny valin-teninao amin'ny Sabata. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal