Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.

Daty
Alatsinainy 27 April 2026

I Jesôsy no ohatra tonga lafatra ho antsika amin'ny zavatra rehetra, anisan'izany ny momba ny fivavahana ataon'ny tena manokana. Inona no ambaran'ny Mar. 1:35 momba ny fotoana niarahan'i Jesôsy tamin'Andriamanitra?

Na dia andininy iray monja aza izany, dia lesona manan-danja no azontsika sintonina avy amin'ny ohatra nasehon'i Jesôsy. Vao mangiran-dratsy dia efa mitokana any amin'ny toerana mangina Izy mba hiresaka amin-dRainy. Azonao an-tsaina ve izany? Indro i Jesôsy mipetraka eo amoron'ny ranomasin'i Galilia na eo amin'ny havoana iray, mivavaka sy miresaka amin-dRainy raha mbola matory ny manodidina Azy rehetra. Ny fanoloran-tenan'i Jesôsy amin'ny vavaka no tena asehon'io andininy io, nefa hitantsika mazava ao amin'izany fa laharam-pahamehana ho Azy izany. Tsy isalasalana fa izany fotoana izany no nanome Azy hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra niainany. Raha i Jesôsy aza nila izany mialoha ny hanombohana ny andro tsirairay, mainka moa fa isika!

Hoy Jehôvah amintsika: "tadiavonareo ny tavako", ary antenainy ny hamaliantsika Azy hoe: "Eny, ny tavanao no tadiaviko" - Sal. 27:8.

Inona no ambaran'ny I Tant. 16:11 momba ny tokony hikatsahantsika ny Tavany?

Misy toerana azonao andehanana isa-maraina ve mba hiresahana amin' Andriamanitra? Mety ho seza iray manamorona ny varavarankely izany, na toerana mangina iray, na koa eo amin'ny latabatra ao an-dakozia, izay ahafahanao mipetraka isan'andro eo an-tongotr'i Jesôsy mba hianatra ny Tenin'Andriamanitra. Eo an-tongotr'i Jesôsy no toerana tsara indrindra hipetrahana (Lio. 10:39-42). Raha ataonao fahazarana isan'andro ny mankeo amin'ny toerana manokana iray mba hiresaka amin'Andriamanitra, dia ho mora kokoa aminao ny hiverina eo isan'andro. Aza kivy raha sendra tsy afaka mankeo indray andro na indroa ianao, noho ny zavatra maika tokony hovitaina. Nefa aza aveia haharitra ny fotoana tsy iarahanao amin'Andriamanitra eo. Tsarovy fa ny fananana fifandraisana maharitra amin'Andriamanitra dia fanapahan-kevitra raisina isan'andro, azonao atao ny mandray izany fanapahan-kevitra izany indray anio, raha tianao.

Hafiriana ny fotoana laninao tamin'ny vavaka sy ny famakiana Baiboly tamin'ny herinandro? Inona no ambaran'ny valinteninao momba ny fanovana mety ilaina mahakasika ny Iaharam-pahamehanao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal