Hodinihina mandritra ny herinandro: 1 Pet. 1:4; Jos. 7; Sal. 139:1-16; Ezra 10:11; Lio. 12:15; Jos. 8:1-29.
Tsianjery:
"Izaho Jehôvah no mpandinika ny fo sy mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany."-Jer. 17:10.
Ny toko faha-7 amin'ny bokin'i Josoa no tranga voalohany nianaran'ny vahoaka Isiraely, tamin'ny alalan'ny fanandramana mampalahelo, ny hevi-dalina fonosin'ny fanekena sy ny halehiben'ny fiantraikan'izany. Raha nitondra fandresena ny fankatoavana ireo fitsipiky ny fanekena, ny fanaovana tsinontsinona izany kosa dia nitondra faharesena. Tsy niankina tamin'ny hamaroan'izy ireo, na ny paikadiny, na ny fahaizany ny fahombiazan'ny tafiky ny Isiraely, fa tamin'ny fanatrehan'llay Andriamanitra Mpiady mahery niaraka tamin'izy ireo.
Tsy maintsy nianatra lesona sarotra ny Isiraely teo am-piezahana hahazo ny Tany Nampanantenaina, dia ny hoe: tsy tany ivelan'ny tobin'izy ireo no nisy ny fahavalo mampidi-doza indrindra, fa tao anatiny, teo anivon'ireo iray laharana aminy ihany. Ny ady sarotra indrindra niandry azy ireo dia tsy ny mandan'ny tanánan'ny Kananita na ny fahaizana ara-tafika avo lenta nananan'ny fahavalony. fa ny ditran'ireo olona tao an-tobin'izy ireo izay ninia tsy nanaraka ny toromariky ny Tompo.
Eto am-piandrasana ny lovantsika any an-danitra (1 Pet. 1:4; Kôl. 3:24), dia miatrika ady sarotra tahaka izany koa isika. Raha mbola eo amin'ny sisin'ny Tany Nampanantenaina isika, dia zahan-toetra ny fahatokiantsika, ary tsy afaka handresy isika raha tsy amin'ny alalan'ny fanoloran-tenantsika ho an'i Jesôsy Kristy.
*Famerenana ny lesona ny sabata 08 Novambra.