Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.

Daty
Alatsinainy 03 August 2026

Ny fiteny momba ny firaisana izay ampidirina ao amin'ny 1 Kor. 12:4-6 ("ny Fanahy dia iray ihany," "ny Tompo dia iray ihany, ihany," ary "Andriamanitra dia iray ihany") dia velabelarina ao amin'ireo andininy manaraka ao amin'ny 1 Kor. 12. Manaporofo izany ny fampiasan'i Paoly ny andian-teny toy ny hoe: "Fanahy iray ihany"- 1 Kor. 12:11; "ny tena iray ihany - 1 Kor . 12:12, 13, 20); "Fanahy iray ihany"-1 Kor. 12:13 (naveriny fanindroany); "mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra."- 1 Kor. 12:25.

Eo ankilan'ny foto-kevitry ny firaisana, dia asongadin'i Paoly ny fahasamihafan'ny rantsam-batana ao amin'ny tenan'i Kristy, ka ny fiteny toy izao no ampiasainy amin'izany: "maro no momba ny tena"-1 Kor. 12:12, 20; "nanaovam-batisa antsika rehetra"-1 Kor. 12:13; "ny momba ny tena tsy iray, fa maro"- 1 Kor. 12:14; "ny tena rehetra"- 1 Kor. 12:17; "izay rehetra momba ny tena"- 1 Kor. 12:18; "ny momba ny tena"- 1 Kor. 12:22, 23; "izay rehetra momba ny tena."- 1 Kor. 12:26. Izany fanasongadinana ny firaisana sy ny fahasamihafana izany no manondro fa natao hampiroborobo ny firaisana eo anivon'ny fahasamihafana ny fanomezam-pahasoavana.

Tokony haneho ny toetran'Andriamanitra izany firaisana ao anatin'ny fahasamihafana izany. Persona iray ny Ray, Persona iray ny Zanaka ary ny Persona iray ny Fanahy Masina; samy manana ny maha-Izy Azy ireo telo ireo, nefa miara-miasa ho fanorenana ny fiangonana sy ho fampitaovana azy ho amin'ny iraka nampanaovina azy (1 Kor. 12:4-6; Efes. 4:11-13).

Vakio ny 1 Kor. 12:12-31. Nahoana ny fampitahana ny tenan'olombelona sy ireo rantsam-batana ao aminy no mety tsara hanehoana ny flangonana sy ireo mambra ao aminy?

Hevitra iray manan-danja ao amin'ny 1 Kor. 12 ny hoe: na dia samy hafa avokoa aza ny rantsam-batana eo amin'ny tena (1 Kor. 12:15-20), dia mifampiankina izy rehetra (1 Kor. 12:21-26). Ny tongotra dia miankina amin'ny maso mba hahitany izay lalan-kalehany; ary ny maso kosa tsy afaka mikasika na inona na inona - ny tanana ihany no afaka manao izany. Fahadisoan-kevitra ny fieritreretana fa malemy kokoa (1 Kor. 12:22) na kely voninahitra kokoa (1 Kor. 12:23) noho ny hafa ny rantsam-batana sasany, satria ilaina izy rehetra (1 Kor. 12:22).

Mampalahelo ny fisian'ny fironana teo amin'ireo Korintianina izay nahatonga azy ireo hanome lanja ny fanomezam-pahasoavana sasany ka hanao tsinontsinona ny ambiny. Mba hisakanana ny Korintianina tsy hanao izany fahadisoana izany dia nosintonin'i Paoly ny sain'izy ireo hifantoka amin'ny fitiavana, izay antsoiny hoe "lalana tsara indrindra" (1 Kor. 12:31). Raha lazaina amin'ny teny hafa, na inona na inona fanomezam-pahasoavana ananan'ny olona, raha ampiasaina amim-pahendrena sy amim-pitiavana izany dia ankasitrahan'Andriamanitra.

Jereo ireo fanomezam-pahasoavana tanisaina ao amin'ny 1 Kor. 12:8-10, 28 sy ny Rôm. 12:6-8 ary ny Efes. 4:11. Inona ny fanomezam-pahasoavana anananao? Ahoana no ahafahanao mampiasa izany ho fampiorenana ny tenan'i Kristy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal