Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.

Daty
Alakamisy 13 November 2025

MANIRY FATRATRA NY FANATREHAN'ANDRIAMANITRA

Vakio ny Jos. 18:1,2. Inona ny zavatra natao Izay nahatonga an'l Josoa namplato ny fizarana ny tany?

Aorian'ny filazalazana momba ny fizarana ireo tany tamin'ireo foko roa lehibe indrindra teo amin'ny faritra andrefan'i Jordana sy ny antsasaky ny fokon'i Manase no itantaran'ity lahatsoratra ity ny fivoriana tany Silo, izay nizarana ny tany tamin'ireo foko fito madinika kokoa.

Ny fanorenana ny fitoerana masina, ny "tabernakeliko" dia maneho nпу fahatanterahan'ny teny fikasan'Andriamanitra momba ny fonenany eo anivon'ny vahoakany (Eks. 25:8; Lev. 26:11,12) ary mampiseho koa ny lohahevitra fototry ny bokin'i Josoa izany: ny fanatrehan'Andriamanitra teo anivon'ny Isiraely no nahatanteraka ny fahazoana ny tany sy mbola ho loharanom-pitahiana ho an'ny Isiraely ary hitahiana ny tany manontolo amin'ny alalan'izy ireo (Gen. 12:3). Mitana ny toerana lehibe sy manan-danja indrindra ny fiankohofana amin'Andriamanitra, eny lehibe mihoatra noho ny fakana ny tany sy ny fizarana izany aza! Tokony nanampy ny olona hahatsapa ny fanatrehan'Andriamanitra teo anivon'izy ireo sy ny andraikiny amin'ny fandehanana araka ny fanekena ny fisian'ny tabernakely teo aminy, sy ny tempoly taty aoriana kely.

Vakio ny Heb. 6:19,20 sy ny Heb. 9:11,12 ary ny Heb. 10:19-23. Inona ny lesona azontsika ianarana avy amin'i Josoa, isika izay Kristianina tsy manana tabernakely ety an-tany izay manome antoka ny amin'ny fanatrehan Andriamanitra mivantana eo anivontsika?

Tsy tokony hahagaga antsika raha resahina ny momba ny tabernakely satria ny lohahevitra momba izany dia efa hita ao amin'ny bokin'i Josoa, amin'ny alalan'ny fiaran'ny fanekena. lo fiaran'ny fanekena io no fanaka nanan-danja indrindra tao amin'ny efitra masina indrindra, ary izany no nanamarika ireo fizarana roa voalohany ao amin'ny bokin'i Josoa: ny fiampitana ny onin'i Jordana sy ny fakana ny tany Kanana. Rehefa nametraka ny fanorenana ny tabernakely ho fotoana manan-danja tao anatin'ny fizarana ny tany i Josoa, dia nampiseho tamin'izany fa manodidina ny fitoerana masina, ilay foiben'i Yahweh teto an-tany, ny fiainana manontolon'ny Isiraely.

Zava-dehibe kokoa ho antsika Kristianina izay velona ao anatin'ny Andro Fanavotana tena izy ny mifantoka amin'ilay fitoerana masina any an-danitra raha eo am-piatrehana ny adintsika amin'ireo olona goavam-be moderina izay mihaika ny finoantsika sy ny fanantenantsika ary ny lovantsika ara-panahy isika. Raha miantehitra mandrakariva amin'ny asan'i Kristy izay tanterany teo amin'ny hazo fijaliana sy ataony ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra isika, dia afaka miandrandra amim-pinoana ny fotoana izay hitoeran'Andriamanitra indray eo anivon'ny vahoakany; ho mandrakizay kosa izany amin'izay fotoana izay (jereo ny Apôk. 21:3).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal