Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.

Daty
Alarobia 13 August 2025

JETRO

Namangy an'i Mosesy i Jetro rafozany, izay antsoina koa hoe Regoela (Eks. 2:18). Nentiny niaraka taminy i Zipora vadin sy ny zanany roa lahy, Gersoma sy Eliezera. Rehefa ren'i Mosesy fa ho avy izy ireo, dia nivoaka niarahaba azy izy.

Vakio ny Eks. 18:1-27. Inona avy ireo dingana lehibe teo amin'ny tantaran'ny firenena nitranga teto?

Tonga i Jetro satria nandre momba ny fanafahana mahagaga nataon' Andriamanitra ho an'ny Isiraely. Notantarain'i Mosesy tamin'i Jetro tamin'ny tsipiriany "izay rehetra efa nataon'i Jehovah tamin'i Farao sy tamin'ny Egyptiana noho ny amin'ny Isiraely, mbamin'ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny namonjen'i Jehôvah azy." - Eks. 18:8.

Nidera ny fahatsaram-pon'Andriamanitra sy ny fidirany an-tsehatra tamin'ny fomba mahagaga ho an'ny vahoakany i Jetro, nanao hoe: "Isaorana anie Jehôvah , Izay namonjy anareo ho afaka tamin'ny tànan'ny Egyptiana sy tamin'ny tanan'i Farao, dia Izay namonjy ny olona tsy hotapahin'ny Egyptiana. Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitraq rehetra, dia tamin'izay zavatra nentin'ny Egyptiana nirehareha tamin'ireny." - Eks. 18:10,11.

Ny hitantsika eto dia ohatra maneho fa vavolombelona eo anatrehan'izao tontolo izao ny asan'Andriamanitra teo amin'ny vahoakany, manambara Ilay tena Andriamanitra marina sy ny halehiben'ny zava-bitany ho an'ny vahoakany.

Sady nahazo fahalalana momba Ilay Andriamanitra marina i Jetro, no nanan-javatra atolotra ho an'ny vahoakan'Andriamanitra koa, dia torohevitra hendry sy mahasoa. Nila nandamina ny rafi-pitsarana araka ireo fitsipika marina sy ara-drariny i Mosesy. Nila mpitsara manolo-tena sy mahatoky izy, dia olona azo itokiana. Notanisain'i Jetro tamim-pahendrena ireto toetra takina manaraka ireto: (1) lehilahy matahotra an'Andriamanitra; (2) marina; ary ary (3) tsy tia kolikoly. Olona mahay sy tsara toetra no natao hotendrena ho mpifehy arivo, mpifehy zato, mpifehy dimampolo, ary mpifehy folo. Amin'izany fomba izany ho hahamaivana kokoa ny andraikitr'i Mosesy eo amin'ny fitantanana, ka afaka hifantoka amin'ny olan-dehibe kokoa izy. Ary ho voakarakara tsara kokoa ny olona.

Neken'i Mosesy ny torohevitra feno fahendrena nomen'i Jetro (Eks. 18:24), koa nanendry mpitarika maro izy hisahana ireo asa fitantanana samy hafa (jereo koa ny Deo. 1:9-18).

Azon'i Mosesy natao ny naneso fotsiny ilay lahiantitra sy nilaza taminy mba tsy hitsabaka amin'ny raharahan'ny hafa. Saingy tsy nanao izany izy. Inona avy ireo lesona manan-danja azontsika ianarana avy amin'ny fahavononan'i Mosesy hihaino io olona io, izay tsy Hebreo akory?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal