Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7 : SAMBATRA IZAY MINO - Nijoro ho vavolombelona tsy nahy i Pilato

Daty
Talata 12 November 2024

Imbetsaka i Jaona no nitantara mikasika ny fiezahan'ireo mpitondra fivavahana hisambotra an'i Jesôsy sy hitondra Azy hotsaraina, ary ny hanameloka Azy ho faty. Lohahevitra iray ao amin'ny filazantsaran'i Jaona ny filazan'i Jesôsy matetika fa tsy mbola tonga ny fotoany, izany hoe ny fotoana hanomboana Azy amin'ny hazo fijaliana (Jao. 2:4; Jao. 7:6,8,30; Jao. 12:7,23,27; Jao. 13:1; Jao. 17:1).

Efa tonga ny fotoana ankehitriny. Nosamborina tao an-tsahan'i Getsemane i Jesôsy , ary nentina teo amin'i Anasy, avy eo tany amin'ny Kaiafa mpisoronabe, ary nentina indroa teo amin'i Pilato.

Vavolombelona maro avy amin'ny saranga rehetra no nantsoin'i Jaona mba hanambara ny maha-Kristy an'i Jesôsy. I Pilato, ilay governora izay nitsara an'i Jesôsy izao no antsoiny. Fijoroana ho vavolombelona manan-danja tokoa izany satria Rômanina i Pilato, ary koa governora no sady mpitsara; Jiosy sy olon-tsotra mantsy ny ankamaroan'ireo vavolombelona hafa.

Ahoana no ifandraisan'ny valim-pitsaran' i Pilato amin'ny lohahevitry ny filazantsaran'i Jaona? Jao. 18:38; Jao. 19:4-22.

Ny Zoma maraina be no nentina teo amin'i Pilato i Jesôsy (Jao. 18:28, DIEM). Ny handefa ity mpifatotra ity haingana ho amin'izay tokony hiafarany no drafitr'i Pilato; nanintona ny sainy anefa ny fihetsika nasehon'i Jesõsy. Nanadina an'i Jesôsy akaiky ity governora ity ary nandre avy tamin'ny molony hoe: "Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko." - Jao. 18:37.

Na dia nanameloka an'i Jesôsy ho faty aza ity governora ity tamin'ny farany, dia nambarany intelo ny maha-tsy manan-tsiny Azy (Jao. 18:38; Jao. 19:4,6). Ary nosoratany teo ambony hazo fijaliana izao soratra izao: "Jesôsy avy any Nazareta, Mpanjakan'ny Jiosy." - Jao. 19:19; izany no namaranany ny fijoroany ho vavolombelona momba an'i Jesôsy sy ny maha-lzy Azy. Na dia teo aza anefa ny fanambarany fa tsy olo-meloka i Jesôsy dia nanameloka Azy ho faty ihany izy.

Ilay Fahamarinana mihitsy no nijoro teo anatrehan'i Pilato saingy noho ny fihainoany ny fandrahonan'ny vahoaka dia nomelohiny ho faty ihany i Jesôsy! Ohatra mahonena manao ahoana re izany, momba ny tsy fanarahana izay asain'ny feon'ny fieritreretana sy ny fo hatao araka ny tokony ho izy!

Inona ny lesona azontsika tsoahina avy amin'i Pilato momba ny loza mananontanona amin'ny famelana ny fihetseham-pon'ny besinimaro, ny tsindry avy aminy, hisakana antsika tsy hanao ny zavatra inoantsika fa tokony hatao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (7)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal