Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7 : SAMBATRA IZAY MINO - Nijoro ho vavolombelona tsy nahy i Pilato

Daty
Talata 12 November 2024

Imbetsaka i Jaona no nitantara mikasika ny fiezahan'ireo mpitondra fivavahana hisambotra an'i Jesôsy sy hitondra Azy hotsaraina, ary ny hanameloka Azy ho faty. Lohahevitra iray ao amin'ny filazantsaran'i Jaona ny filazan'i Jesôsy matetika fa tsy mbola tonga ny fotoany, izany hoe ny fotoana hanomboana Azy amin'ny hazo fijaliana (Jao. 2:4; Jao. 7:6,8,30; Jao. 12:7,23,27; Jao. 13:1; Jao. 17:1).

Efa tonga ny fotoana ankehitriny. Nosamborina tao an-tsahan'i Getsemane i Jesôsy , ary nentina teo amin'i Anasy, avy eo tany amin'ny Kaiafa mpisoronabe, ary nentina indroa teo amin'i Pilato.

Vavolombelona maro avy amin'ny saranga rehetra no nantsoin'i Jaona mba hanambara ny maha-Kristy an'i Jesôsy. I Pilato, ilay governora izay nitsara an'i Jesôsy izao no antsoiny. Fijoroana ho vavolombelona manan-danja tokoa izany satria Rômanina i Pilato, ary koa governora no sady mpitsara; Jiosy sy olon-tsotra mantsy ny ankamaroan'ireo vavolombelona hafa.

Ahoana no ifandraisan'ny valim-pitsaran' i Pilato amin'ny lohahevitry ny filazantsaran'i Jaona? Jao. 18:38; Jao. 19:4-22.

Ny Zoma maraina be no nentina teo amin'i Pilato i Jesôsy (Jao. 18:28, DIEM). Ny handefa ity mpifatotra ity haingana ho amin'izay tokony hiafarany no drafitr'i Pilato; nanintona ny sainy anefa ny fihetsika nasehon'i Jesõsy. Nanadina an'i Jesôsy akaiky ity governora ity ary nandre avy tamin'ny molony hoe: "Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko." - Jao. 18:37.

Na dia nanameloka an'i Jesôsy ho faty aza ity governora ity tamin'ny farany, dia nambarany intelo ny maha-tsy manan-tsiny Azy (Jao. 18:38; Jao. 19:4,6). Ary nosoratany teo ambony hazo fijaliana izao soratra izao: "Jesôsy avy any Nazareta, Mpanjakan'ny Jiosy." - Jao. 19:19; izany no namaranany ny fijoroany ho vavolombelona momba an'i Jesôsy sy ny maha-lzy Azy. Na dia teo aza anefa ny fanambarany fa tsy olo-meloka i Jesôsy dia nanameloka Azy ho faty ihany izy.

Ilay Fahamarinana mihitsy no nijoro teo anatrehan'i Pilato saingy noho ny fihainoany ny fandrahonan'ny vahoaka dia nomelohiny ho faty ihany i Jesôsy! Ohatra mahonena manao ahoana re izany, momba ny tsy fanarahana izay asain'ny feon'ny fieritreretana sy ny fo hatao araka ny tokony ho izy!

Inona ny lesona azontsika tsoahina avy amin'i Pilato momba ny loza mananontanona amin'ny famelana ny fihetseham-pon'ny besinimaro, ny tsindry avy aminy, hisakana antsika tsy hanao ny zavatra inoantsika fa tokony hatao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (32)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal