Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.

Daty
Alahady 10 May 2026

Velona tao anatin'ny fotoana nanjakan'ny faharatsiana i Elia mahatoky. Nataon'ny mpanjaka Ahaba tamin'izany izay "nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mihoatra noho ny mpanjakanby Isiraely rehetra izay teo alohany." - 1 Mpanj. 16:33. Ny fifanandrinana teo an-tendrombohitra Karmela hatreto no fotoana :11 nanamarika indrindra ny fiainan'i Elia (jereo ny 1 Mpanj. 18). Teo amin'ny fiafaran'io tantara mahatalanjona io no nahitan'i Ahaba sy ny fanjakany izao fahamarinana izao: mamaly vavaka Andriamanitra. Fotoana iray tsy hay hadinoina teo amin'ny tantaran'ny Isiraely izany ary izany no mahatonga ny fiovana tampoka nisy teo amin'io tantara io hanaitra antsika.

Vakio ny 1 Mpanj. 19:1-18, ary mariho manokana ny vavaka nataon'i Elia sy ny resaka nifanaovan'Andriamanitra taminy. lnona no antony nahakivy an'i Elia teto? Ahoana no mahasamy hafa ny valintenin'Andriamanitra amin'izay nitranga teo an-tendrombohitra Karmela?

Tao anatin'ny andro iray, na dia novalian'Andriarnanitra aza ny vavaka rehetra nataon'i Elia, dia nisy fiovana tampoka teo amin'ny toe-pony sy ny fisainany ary ny herim-batany. Na dia nahazo fandresena lehibe niaraka tamin'Andriamanitra aza izy tamin'io andro io, dia navelany handresy ny finoany an'Andriamanitra ny tahotra ny fahafatesana, noho ny harerahany. Manaitra tokoa ity tantara ity satria na dia kivy sy ketraka aza i Elia, dia nanatona azy tamim-pahalemem-panahy sy tamim-piahiana fatratra Andriamanitra, ka nanome azy rano sy hanina indray (1 Mpanj. 19:5,6) — nahavoky azy tokoa izany ka nananany tanjaka nandritra ny 40 andro sy 40 alina (1 Mpanj. 19:8). Ary rehefa niseho taminy Andriamanitra, dia tamin'ny fomba hafa tanteraka noho ny teo aloha izany. Misy fotoana eo amin'ny fiainana izay anomezan'Andriamanitra antsika valinteny mivantana sy mafonja ary tsy azo lavina. Manamafy orina ny finoantsika ireny, ary mahatonga antsika hahatsapa ho akaiky an'Andriamanitra eo amin'ny fiainana. Amin'ny fotoana hafa kosa dia mihozongozona isika ka lavo amin'ny fakam-panahy. Heverintsika amin'izany fa sarotra loatra ny manara-dia an'Andriamanitra amin'ny finoana tsy miovaova. Miandry ny valintenin'Andriarnanitra amin'ny fomba izay eritreretintsika fa tokony hamaliany isika, tsy mahatsapa fa ny Fiheviny sy ny Lalany dia ambony sy hendry lavitra noho ny antsika (Ise. 55:8,9). Toy ny habetsahan'ny zavaboarin'Andriamanitra izay tsy takatsika ny momba azy, dia tsy tokony hahagaga antsika ny hamaroan'ireo fomban'Andriamanitra izay tsy takatry ny saintsika koa. Andriamanitra, ilay Raintsika tsara sady malemy fanahy, dia mahafantatra tsara izay ilainao.

Ahoana no hahatony anao ka hitokianao Azy sy hibanjinanao Azy ao anatin'ny toe-javatra rehetra? Resaho Aminy izao ny momba izany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal