Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.

Daty
Alarobia 13 May 2026

Tahaka ny nampianaran'i Jesôsy antsika hivavaka ao amin'ny Mat. 6:5-15, dia azontsika atao ny manaraka io modely tsotra io rehefa manatona an'Andriamanitra manokana isika, na miaraka amin'ny ankohonantsika, na miaraka amin'ny fiangonana, ka mahatsiaro fa ny vavaka dia firesahana amin'Andriamanitra toy ny amin'ny namana iray. Matetika loatra ny vavaka ataontsika no feno fangatahana, nefa i Jesôsy nampianatra antsika mba hivavaka ho amin'ny zavatra maro izay lehibe lavitra noho izany!

Vakio ny vavaka nataon'i Daniela ao amin'ny Dan. 9:4-19 ary jereo ireo fizarana samy hafa ao anatin'izany.

Diniho ny fomba ahafahanao mampiditra ireto singa manaraka ireto ao amin'ny vavaka ataonao: 

Fiderana: Ny fiderana dia fanehoana haja ho an'Andriamanitra sy fiankohofana Aminy noho ny maha Izy Azy sy ny toetrany. Vakio ny Sal. 100, ilay hira fiderana kanto ho an'Andriamanitra. Saintsaino ireo anarana maro iantsoana an'Andriamanitra sy ny toetrany mahatalanjona. Midera Azy noho ny maha Mpanavotra. Mpamonjy, Mpampahery, Mpanasitrana, Mpiandry tsara, Alfa sy Omega, ary Vatolampy Azy, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo isika.

 Fiaiken-keloka sy fangataham-pamelana: Rehefa miresaka amin'Andriamanitra sy mitoetra ao Aminy isika, dia tsy maintsy mahafoy izay rehetra mety hampanalavitra na hampisaraka antsika Aminy. Arakaraka ny anakaikezantsika Azy no ahitantsika ny tsy fahamendrehantsika sy ny fahoriantsika. Izany no italahoantsika Aminy mba hanaisotra ny fahotantsika sy hanefy ny toetrantsika ho tahaka ny Azy. Raha miandrandra ny famelan'Andriamanitra isika, dia tsy maintsy vonona hamela ny hafa koa. "Koa mifaneke heloka hianareo, ary mifarnpivavaha, mba ho sitrana hianareo. Ny fiasan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra." - Jak. 5:16.

Fangatahana: inona avy ireo fihaikana atrehinao mahakasika ny ankohonanao, ny namanao, ny fahasalamana, ny lafiny ara-bola na araka asa, na koa fianarana? Lafiny inona no tianao ny fitarihan'ny tanan'Andriamanitra? Iza no mila ny fanohananao, ary ahoana ny fomba tsara indrindra hanomezanao izany? Ento am-bavaka manokana ireo lafin-javatra sy olona ireo ka angataho mba ny sitrapon'Andriamanitra no ho tanteraka.

Fisaorana: Vakio ny Fil. 4:6 ary saintsaino ireo fitahiana eo amin'ny fiainanao. Mety maro ny zava-dehibe tonga ao an-tsainao, swingy ahoana ny amin'ireo zava-madinidinika izay heverintsika fa mandeha ho azy matetika? Mirotsaka tsy tapaka amintsika ny famindrampon'Andriamanitra, nefa akory ny hakelin'ny fankasitrahana asehontsika sy ny fiderana ataontsika noho izay efa nataony ho antsika.

Inona ny zavatra tokony hideranao an'Andriamanitra, sy tokony hiaikenao eo anatrehany, tokony hangatahinao Aminy ary tokony hanehoanao fisaorana Azy? Nahoana moa raha izao izany dia ataonao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal