Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 16 May 2026

Hodinihana mandritra ny herinandro: Mar. 8:11,12; Mat. 15:21-28; Lio. 7.1-10; Efes. 2:8; Heb. 11; Apôk. 14:12. 

Tsianjery: "Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita." - Heb. 11:1. 

Nisy olona nilaza toy izao indray mandeha: "Ny finoana dia toy ny WiFi. Tsy hita maso izy, saingy manana hery mampifandray anao amin'izay ilainao." Tsy isalasalana fa raha tsy misy ny finoana, dia tsy hisy ny fifandraisana amin'Andriamanitra. 
Manao ahoana ny finoanao ankehitriny? Efa nisy fotoana ve nihozongozona ny finoanao an'Andriamanitra? Angamba efa nandalo ady sarotra ianao izay tsy nahafantaranao intsony ny fomba hirosoana eo amin'ny fifandraisanao amin'Andriamanitra. Sa ve ny finoanao tahaka ny raozy mamony amin'ny tahony maitso, izay mivelatra tsikelikely ho tonga voninkazo marevaka sy mahafinaritra, ka mameno ny efitrano misy azy amin'ny hanitra tsy hay hadinoina? Satria marina tokoa fa "ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita." — Heb. 11:1. Tsy zavatra azontsika amboarina amin'ny herin'ny tenantsika izany, satria "finoana izay nozarain'Andriamanitra ho anareo avy" - Rôm. 12:3. Ny finoana dia fanomezana avy amin'Andriamanitra (Efes. 2:8,9), ary tsy afaka mino an'Andriamanitra isika raha tsy noho ny zavatra efa ataon'Andriamanitra ao anatintsika sy ho antsika. Andeha hodinihintsika amin'ity herinandro ity ny tohahevitra momba ny finoana: inona no hatao amin'ny fisalasalana sy ny tsy finoana? Araka ny fijerin'i Jesôsy, toy ny ahoana izany finoana matanjaka izany; ary inona no hevitry ny hoe manana "finoana an'i Jesôsy "? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal