Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.

Daty
Alatsinainy 18 May 2026

Ampitahao ny fanoritsoritan'i Jesôsy ny finoan'ny mpianany ao amin'ny Mar. 4:40 sy ny an'ilay vehivavy ao amin'ny Mat. 15:21-28.

Tsy hoe satria manara-dia an'i Jesôsy isika dia matanjaka avy hatrany ny finoantsika. Raha ny marina, misy olona sasany milaza fa mino, kanjo hitan'i Jesosy ny ao am-pony marina (Jao. 2:23-25).

Vakio ny Lio. 7:1-10. Inona no ampianarina antsika momba ny finoana avy amin'io tantara io?

Hitantsika ao amin'ny Mar. 9 ny tantaran’llay lehilahy nanatona an'i Jesôsy mba handroahany ny demonia ao amin'ny zanany lahy, nefa zara raha nanam-pinoana izy nilazana hoe: «Mino aho, vonjeo aho ho afaka amin'ny tsi-finoako» - Mar. 9:24.

Voamarik'i Jesôsy ny finoan'ny olona tsirairay nifanerasera Taminy, na ny tsy fahampian'ny finoany, ka nanao fahagagana Izy vokatr'izany finoana izany, na mba hanatanjaka ny finoany

Tahaka ny ampirisihan'ny Fanahy Masina antsika hino, dia manao izay hisalasalantsika na handavantsika ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra eo amin'ny fiainantsika ilay fahavalon'ny fanahy. "Manana hery mamatotra ny tsy finoana kolokoloina ao amin'ny fanahy. Hamoa ny voan'ny fisalasalana izay nafafiny, saingy tsy maintsy hongotany hatramin'ny fakany ny tsy finoana rehetra. Tsy hitombo intsony ireny zava-maniry feno poizina ireny rehefa voahongotra satria tsy misy mamelona azy amin'ny teny sy ny asa intsony. Ireo voa sarobidin'ny finoana sy ny fitiavana no tsy maintsy ambolena ao amin'ny fo sy ampanjakaina ao." - FA, tt. 11,12.

Rehefa misalasala ny amin'Andriamanitra na ny toetrany na ny Teniny isika, Inona no ataontsika? Tsy manao tsinontsinona na mandingana ny fisainan'ny olombelona Andriamanitra; namorona antsika araka ny endriny mantsy Izy ary manasa antsika hifampiresaka Aminy, tahaka ny nataony tamin'i Abrahama, i Mosesy, ary i Joba. Manasa antsika Andriamanitra hianatra hiasa ao anatin'ny fomba fisainany, izay mahataka-davitra sy tsy voafetra, na indraindray aza tsy maintsy miaiky isika fa misy zavatra tsy,takatry ny saintsika.

Saino ny antony mitombina rehetra mahatonga anao hanam-pinoana. Kanefa koa, hatraiza no mijanona ny lojika ka ilanao maneho finoana matanjaka sy mitombina? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal