Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.

Daty
Talata 19 August 2025

NY DIDY FOLO, FANOMEZANA

Vakio ny Eks. 20:1-17. Inona avy ireo fitsipiky ny didy folo, ary ahoana no nandaminana ny firafitr'izany?

Mariho fa tsy miantomboka amin'ny fandidiana ny didy folo fa amin'ny asa feno fahasoavana ataon'Andriamanitra amin'ny vahoakany: "Izaho no Jehôvah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana." Eks. 20:2. Nasehon'ny Tompo aloha ny Fahasoavany tamin'ny nanomezany fahafahana sy famonjena ny Isiraely, ary taorian'izay vao nampahafantariny ny sitrapony. Amin'ny fitiavana sy ny fankasitrahana ny zavatra nataon'Andriamanitra ho azy ireo no tokony nitandremany ireo didy ireo.

"Fitiavana" no teny manan-danja amintinan'Andriamanitra ny didy folo (Rôm. 13:10). Ny didy momba ny fitiavana no lehibe indrindra, izay aseho amin'ny fomba anankiroa: ny fitiavana an'Andriamanitra (Deo. 6:5) ary ny fitiavana ny namana (Lev. 19:18).

Hazavain'ny didy folo ao amin'ireo didy efatra voalohany ny hevitry ny fitiavana an'Andriamanitra. Ao amin'ny didy enina manaraka kosa no anazavan'ny lalàna ny hevitry ny hoe mitia ny namana. Miantomboka amin'ny fanajana an'Andriamanitra ambonin'ny zavatra rehetra ny didy folo (fitiavana mijidina), ary mitohy amin'ny fanajana ny hafa (fitiavana marindrano):

  1. Fanajana sy fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra amin'ny fanomezana Azy ny toerana voalohany sy ambony indrindra eo amin'ny toe-javatra rehetra eo amin'ny fiainantsika (didy voalohany);
  2. Fanajana sy fiarovana ny toerana tsy manam-paharoa ananan'Andriamanitra ary koa tsy fanoloana Azy amin'ny sampy amin'ny endriny rehetra (na ara-materialy, na ara-tandindona na koa ara-panahy). An'i Jehôvah ny fitiavantsika madio indrindra (didy faharoa);
  3. Fanajana feno ny anaran'Andriamanitra - ny hajany sy ny toetrany (didy fahatelo);
  4. Fanajana ny andro fitsaharan'Andriamanitra sy fiankohofana Aminy - ny Sabata (didy fahefatra);
  5. Fanajana ny ray aman-dreny (didy fahadimy);
  6. Fanajana ny aina (didy fahenina);
  7. Fanajana ny fanambadiana (didy fahafito);
  8. Fanajana ny fananan'ny hafa (didy fahavalo);
  9. Fitandroana ny hajan'ny hafa (didy fahasivy) ary
  10. Fanajana ny tena mba tsy hisian'ny faniriana feno fitiavan-tena hanimba ny toetrantsika (didy fahafolo).

I Jesôsy mihitsy no nanambara izao: "Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko." - Jao. 14:15; jereo koa ny 1 Jao. 4:20,21. Araka izany, ny tena fankatoavana dia tsy inona fa fanehoana fitiavana sy fankasitrahana amin'i Jesôsy , fitiavana izay miseho amin'ny fomba miezinezina indrindra amin'ny fomba fitondrantsika ny namantsika.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal