Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.

Daty
Alarobia 19 August 2026

Miresaka fohifohy momba ny vatana hatsangana amin'ny maty io Paoly ao amin'ny 1 Kor. 15:35-39. Fanontaniana roa no anombohany izany: "Hatao ahoana ary no fanangana ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany?"- 1 Kor. 15:35. Ao amin'ny 1 Kor. 15:36-49 no ahitana ny valin'ireo fanontaniana ireo.

Vakio ny 1 Kor. 15:36-41. Ahoana no amalian'ireo andalan-teny ireo ny fanontaniana ao amin'ny 1 Kor. 15:35?

Mampiasa fanoharana telo i Paoly mba hanampiana ny mpamaky hahatakatra izay mitranga amin'ny fitsanganan'ny maty. Ny fanoharana voalohany (1 Kor. 15:36-38) dia milaza fa ny tena dia tahaka ny voa izay tsy maintsy maty aloha (na tsy mitoetra ho voa intsony) mba hahatonga azy ho zava-maniry amin'ny fomba mahagaga. Mazava izany fampianarana izany: fahagagana ataon'Andriamanitra ny fitsanganana amin'ny maty. Faharoa, ny fanoharana momba ny nofo samihafa (1 Kor. 15:39, 40) dia manasongadina fa eto amin'ity tontolo ity dia nomen'Andriamanitra tena samy hafa ny biby sy ny olona arakaraka ny tontolo iainana misy azy. Tahaka izany koa, ny tenantsika dia hatao mifanaraka amin'ny toe-javatra vaovao any amin'ny tontolon'ny lanitra. Velabelarina kokoa izany hevitra izany ao anatin'ny fanoharana momba ny tenan'ny voninahitra (1 Kor. 15:40, 41), izay manasongadina fa ny voninahitry ny vatana hatsangana amin'ny maty dia mihoatra lavitra noho ny vatana mialoha izany, izay nandairan'ny fahalavoana teto an-tany.

Izany hevitra izany dia azo jerena ihany koa amin'ny alalan'ny fampitahana efatra atao amin'ny tenantsika eto an-tany amin'izao fotoana izao sy ny tenantsika rehefa hatsangana amin'ny maty. Ilay voalohany dia an'ny tany, mety lo, malemy ary araka ny fomban'aina. Etsy ankilany kosa, ilay faharoa dia tenan'ny any an-danitra, tsy mety lo, mahery ary araka ny fombam-panahy (1 Kor. 15:40-44). Tsy midika anefa izany fa tsy misy fifandraisana eo amin'ireo tena roa ireo. Ny fampiasan'i Paoly ny teny grika sõma ("vatana") ho an'ilay vatana nalevina sy ho an'ilay vatana hatsangana dia maneho fa tsy foana ny maha-izy ilay olona teo aloha. Etsy andanin'izany anefa, dia mampiseho koa ireo toetra 4 mifanohitra etsy ambony fa misy ny fiovana: ny tenantsika vaovao dia tsy hitovy amin'izay mety lo ananantsika amin'izao fotoana izao, isaorantsika ny Tompo indrindra izany.

Ny filazan'i Paoly hoe "araka ny fombam-panahy" dia tsy manondro ny tsy fisian'ny vatana azo tsapain-tanana tsy akory. Ambarany any amin'ny boky hafa fa hovan'i Jesôsy "ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny."- Fil. 3:21. Araka izany, dia hanana vatana azo tsapain-tanana isika, saingy tsy mety simba na lo izany. Koa satria izay hany fantatsika amin'izao dia fahalovana sy aretina ary fahafatesana, dia sarotra amintsika ny maka sary an-tsaina ny fiainana tsy misy ireo rehetra ireo, kanefa izany no ampanantenaina antsika ao amin'i Jesôsy .

Ny fahazoana antoka fa hovana ho tonga lafatra ny tenantsika dia manampy antsika haharitra manoloana ny maha-voafetra ny tenantsika ankehitriny, amin'ny fomba ahoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal