Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: TANTERAKA IREO FAMINANIAN’NY TESTAMENTA TALOHA - Avy aty ambany

Daty
Alakamisy 21 November 2024

Hitantsika ao amin'ny lesontsika hatreto fa asehon'i Jaona ho Ilay Mesia nampanantenaina i Jesôsy, Ilay nantenain'ny vahoaka jiosy sy nandrasany hatry ny ela.

Nanjary fahavalony lehibe indrindra anefa ny ankamaroan'ireo mpitondra fivavahana, dia ireo mpitarika ny vahoaka ara-panahy. Nahoana?

Vakio ny Jao. 8:12-30. Inona ny tsy fifankahazoan-kevitra teo amin'i Jesôsy sy ireo mpitondra fivavahana eto? Inona avy ireo andinin-tSoratra Masina manazava tsara indrindra ny antony mahatonga ny maro handà Azy?

Milaza i Jesôsy fa sady tsy mahafantatra Azy izy ireo no tsy mahafantatra ny Ray (Jao. 8:9). Tokony ho nahafantatra anefa izy ireo saingy namita-tena. Nafantony loatra tamin'ny lovantsofiny sy ny filozófiany ny sainy, hany ka na teo anoloany mivantana aza i Jesôsy, nanao izay nataony sy nilaza izay nolazainy - izay samy nanambara ny Ray tamin'ny fomba mahery vaika - dia mbola nolaviny ihany.

Manaraka izany, hoy i Jesôsy tamin'izy ireo: "Hianareo avy aty ambany" - Jao. 8:23. Izany hoe, na dia niseho ho mpivavaka toy inona aza izy ireo dia olona tsy ara-panahy, tsy nanam-pahamasinana. "Manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra" fotsiny izy ireo (2 Tim. 3:5), fa tsy nisy finoana tao anatiny.

Tsy zava-baovao io. Hoy ny Isa. 29:13: "Satria manatona Ahy amin'ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin'ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin'olombelona ampianarina azy ihany." Naverin'i Jesôsy izany taonjato maro taty aoriana tamin'ny nilazany hoe: "Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy." - Mar. 7:7.

"Avy amin'izao tontolo izao" ny fampianaran'izy ireo sy ny didiny, ary hoy i Jesôsy: "Izaho tsy mba avy amin'izao tontolo izao." - Jao. 8:23. Efa ratsy tokoa ny namitahan'izy ireo tena, kanefa nanampy trotraka izany ny namitahan'izy ireo ny hafa koa. Mahaliana anefa fa "maro no nino Azy", araka ny voasoratr'i Jaona (Jao. 8:30), vokatr'ilay adihevitra voalaza ao amin'ireo andininy ireo.

Araka izany, na ratsy toy inona aza ny fitondrana ara-pivavahana, dia Jiosy maro no afaka nihoatra izany ka ny tenany mihitsy no nahita an'i Jesôsy tamin'ny maha-lzy Azy.

Inona ny lesona tsoahinao avy amin'ilay adihevitra nifanaovan'i Jesôsy tamin'ireo mpitondra fivavahana? Ahoana no hahatonga antsika ho "avy any ambony" fa tsy "avy aty ambany"? Ahoana no hahaizantsika manavaka izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Fampidirana.
Sun 27 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny didy voalohany indrindra
Mon 28 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 2
Tue 29 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 7
Wed 30 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny tany sy ny ranomasina
Thu 01 May 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Maminany indray
Fri 02 May 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Fianarana fanampiny.
Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (32)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal