Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 30 May 2025

Vakio ny Sal. 133 sy ny Asa. 1:4-9 ary ny Apôk. 5:4-7.

"Tamin'ny andron'ny Patriarka dia efa naseho matetika tamin'ny fomba miavaka ny hery miasa mangina avy amin'ny Fanahy Masina, nefa tsy mbola tamin'ny fahafenoany. Ankehitriny, ho fankatoavana ny tenin'ny Mpamonjy, dia nitaky io fanomezam-pahasoavana io ny mpianatra, ary nanampy azy Kristy tany an-danitra tamin'ny fanelanelanana nataony. Nitaky ny fanomezana ny fanahy Izy mba hahazoany mandrotsaka izany amin'ny vahoakany." - VM, t. 35.

Nomena torolalana mba hijoro ho vavolombelon'i Kristy "hatramin'ny faran'ny tany" ireo mpianatra (Asa. 1:8); asa iray ho fitoriana ny fiverenan'i Kristy izany (Mat. 24:14). Asaina manohy izay natombok'izy ireo isika.

Tsy namela antsika hamaritra samirery ny fomba mety hitondrana ny filazantsara any amin'izao tontolo izao i Kristy rehefa nilaza tamintsika mba hanao izany. Avy tao amin'ny tabernakely any an-danitra no nivoahan'izany baiko izany. Manana firaisana ety amin'i Kristy ny asantsika: Izy no mitarika sy manome hery antsika amin'izany. Asany izany fa tsy antsika, ny manaraka ny tari-dalany no asaina ataontsika. Ho voamarikao fa tahaka izany no nataon'ny Isiraely: nasain'Andriamanitra nanaraka ny torolalany izy ireo, rehefa izay dia nataony tanteraka izay heverina ho tsy azo tanterahina. Efa miasa ao am-pontsika sy ao am-porn'ireo namantsika sahady ny Fanahy, asaina mankany amin'ny toerana iray isika rehefa tonga ny fotoan'ny fanapahan-kevitra mba hahafahantsika manasa azy ireo ho isan'ny vahoakan'Andriamanitra mitsangana eo Ziona miaraka amin'ny Zanak'ondry. Tsy asaina mamorona fomba fiasa sy fitaovana isika satria tsy napetraka na oviana na oviana ho eo amin'ny fibaikoana ny asa.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Misy olona marobe tsy mbola naharay ny hafatra na dia efa nitety an'izao tontolo izao aza ny hafatry ny anjely telo. Ifanakalozy hevitra ao amin'ny kilasy ny fomba hahafahantsika flangonana manatanteraka amin'ny fomba tsara kokoa ny asa izay asain'l Kristy tanterahintsika. Ahoana no hahatonga antsika tsy ho kivy na dia marina aza fa marobe ny olona tsy mbola nandre ireo fahamarinana ho an'ny andro farany?

2. Ao amin'ny Apôk. 5, i Jaona dia manatri-maso ny nanomezana ny horonan-taratasy voaisy tombokase ho an'ny Zanak'ondry noho ny maha-mendrika Azy. Rehefa vohana ireo tombokase eo amin'ny horonan-taratasy ao amin'ny Apôk . 6, dia hitantsika ny tantaran'ny flangonan'ny Testamenta Vaovao izay voalaza mialoha amin'ny fomba mazava mandra-pahatonga ny farany. Raha jerena izany fanoritsoritana izany, inona ny lesona azontsika ianarana momba ny fanirian'Andriamanitra hamita ny asa?

3. Inona ny toe-javatra hitantsika ankehitriny eto amin'izao tontolo izao, izay hitranga ao amin'ny Apôk. 13 sy 14? mora mitarika ho amin'izay fantatsika fa hitran Inona no mbola misakana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Fampidirana.
Sun 25 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana.
Mon 26 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Fanantenana eo anivon’ny hotakotaka.
Tue 27 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Ambanin’ny tongony.
Wed 28 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Divay sy rà.
Thu 29 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Mba ho fantatra ety ambonin’ny tany ny famonjenao.
Fri 30 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Fampidirana
Sun 18 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Ilay Mpisoronabentsika
Mon 19 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Eo an-tendrombohitra Ziona.
Tue 20 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Ny làlana ao am-pontsika.
Wed 21 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Salamo 5.
Thu 22 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Hampianatra ny olon-diso ny làlanao.
Fri 23 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Fianarana fanampiny.
Sat 24 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (46)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal