Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY LOHARANON’NY FIAINANA - Tsy mandray Ilay loharanon’ny Fiainana

Daty
Alarobia 27 November 2024

Hita ao amin'ny filazantsaran'i Jaona ny sasany amin'ireo tantara mam-palahelo indrindra ao amin'ny Soratra Masina: "Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy. (...) Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy. Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy." - Jao. 1:5, 10, 11. Nolavin'ny maro tamin ireo olony Ilay "Izaho, izay Izy".

Tsy mahagaga raha toa nampitandrina i Paoly taty aoriana hoe: "Koa aza manary ny fahasahianareo" Heb. 10:35. Araka izay efa naverimberina tamintsika dia nolavina i Kristy satria tsy nandray ny Teniny ny olona.

"Miantomboka amin'ny fisalasalana ny fomba fisainan'ny olombelona amin'ny vanim-potoana ankehitriny. Mametra-panontaniana mikasika ny zavatra rehetra ny olona mba hamantarana ny marina. Izay mahajoro aorian'ny afon'ny fanadihadiana mivaivay no eken'izy ireo ho fahalalana mafy orina toy ny vatolampy, dia zavatra izay azony ametrahana ny finoany. Mampihatra izany fomba fiasa izany amin'ny Baiboly ny olona sasany ka mametra-panontaniana momba ny zavatra rehetra ary miantehitra amin'ny fomba fijery ara-tsiansa, ara-tantara, ara-psikolojia, araka ny fahalalana momba ny fahagola na koa ny fahalalana momba ny haibolantany ("géologie"), mba hahafahany mamaritra izay marina ao amin'ny Baiboly. Ny fisalasalana momba ny fahamarinan'ny Soratra Masina no iaingan'izany fomba fiasa izany sy iorenany. Hoy i Kristy: "raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana ety ambonin'ny tany va Izy?" - Lio. 18:8." - E. Edward Zinke and Roland Hegstad, The Certainty of the Second Coming, (Hagerstown, MD: Review and Herald Publishing Association, 2000) t. 96.

Vakio ny Nom. 13:23-33. Inona no nahasamy hafa ireo tatitra nataon'ireo mpisafo tany rehefa niverina avy tany Kanana?

Ny fahotan'ny Hebreo fony izy ireo tao Kadesy Barnea dia ny nisalasalany momba ny Tenin'Andriamanitra. Nasain'Andriamanitra niakatra mba haka ny tany izy ireo. Mpisafo tany roa ambin'ny folo no nalefa tany Kanana mba hisafo ny tany. Niverina izy ireo ary nitondra tatitra roa. Tatitra miiba no nentin'ny ankamaroany: "misy olona vaventy be ao amin'ilay tany, mimanda ny tanana, manana fitaovam- piadiana tsy mbola fahita hatrizay ireo olona ao ary tsara hofana ny tafiny. Isika anefa nandevozina tany amin'ny tany Egipta, ary zara raha manana traikefa ara- tafika." Rehefa izay dia nifidy ny "tsia" ireo mpisafo tany, safidy niorina teo amin'ny porofo araka ny fomba fijerin'olombelona izany. Ireo mpisafo tany roa izay nandany ny "eny" mba hakana ny tany kosa dia nampiorina ny finoany teo amin'ny herin'ny Tenin'Andriamanitra.

Ahoana no isorohantsika ny famerenana ny fahadisoana izay nataon'ny Isiraelita teto? Eo ankilan'izany anefa, ahoana no ialantsika amin'ny fitompoan-teny fantatra, izay mahatonga antsika hanao hadalana kanefa mino isika fa manao ny sitrapon'Andriamanitra ka hahomby?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal