Marobe ireo hafatra ao amin'ny Baiboly izay miresaka momba ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra sy ire() fefy manakana antsika tsy hitombo ao amin'i Kristy. Diniho ireto teny nambaran'i Paoly sy i Jesôsy ireto:
"Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo." - 1 Kor. 10:12. Toa an'i Samsona, hahalavo anao ny fianteheranao amin'ny tenanao.
"Aza mba mitsoka trompetra eo anoloanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy (...) mba hankalazan'ny olona azy" - Mat. 6:2. Atsaharo ny filazana amin'ny hafa fa tsara ianao! Manetre tena, tahaka izay nataon'i Jesôsy.
"Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady. Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao." - Mat. 5:28,29. Ataovy izay rehetra azo atao mba hialan'ny filan-dratsy ao am-ponao, satria izany no sakana ho an'ny fifandraisanao amin'Andriamanitra.
"Aza mitsara, mba tsy hotsaraina hianareo. Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo." - Mat. 7:1,2. Atsaharo ny fanakianana sy ny fitsaratsarana ny hafa, Andriamanitra no Mpitsara, koa aoka izy no hanao izany asa izany (1 Kor. 4:5).
"Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo." - Mat. 5:44. Atsaharo ny fankahalana ireo fahavalonao. Rehefa mahatsa-pa fihetsehampo miiba manoloana ireo nanao ratsy taminao ianao, dia mametraka sakana ho an'ny fifandraisanao amin'Andriamanitra avy hatrany izany. Izao no ataovy: manomboha mivavaka ho an'ireo fahavalonao ary jereo ny fiovana aterak'izany eo amin'ny fiarahanao mandeha amin'Andriamanitra ary koa eo amin'ny fifandraisanao amin'ny hafa.
"Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia mendrika ho-helohina amin'ny fitsarana." - Mat. 5:22. Angamba ianao efa niezaka nanamarina ny antony itabatabanao amin'ireo izay akaiky anao. Inona anefa ny fiantraikan'ny fahatezeranao amin'ny fifandraisanao amin'Andriamanitra, raha tsy horesahina ny momba ireo olona mahatezitra anao? Lafin-javatra vitsivitsy ihany ireo, amin'izay mety mahalavo antsika.
Nanome fampitandremana mikasika izay tokony hataontsika i Jesôsy, rehefa mitarika antsika hanota ny tanantsika sy ny tongotsika ary ny masontsika. Inona izany fampitandremana izany? Vakio ny Mar. 9:42-48.
Ny hoe manapaka ny tananao na ny tongotrao na koa manaisotra ny masonao, raha izany no mahatonga anao hanota, dia azo lazaina ho tafahoatra. Ninian'i Jesôsy nolazaina mihitsy anefa izany mba hanehoana fa tsy zava-maivamaivana ny fahotana eo imasony, sy ny fiantraikan’izany eo amin'ny fiainantsika. Manao ahoana kosa ny fomba fijerinao ny fahotana?