Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.

Daty
Alatsinainy 25 May 2026

Marobe ireo hafatra ao amin'ny Baiboly izay miresaka momba ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra sy ire() fefy manakana antsika tsy hitombo ao amin'i Kristy. Diniho ireto teny nambaran'i Paoly sy i Jesôsy ireto:

"Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo." - 1 Kor. 10:12. Toa an'i Samsona, hahalavo anao ny fianteheranao amin'ny tenanao.

"Aza mba mitsoka trompetra eo anoloanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy (...) mba hankalazan'ny olona azy" - Mat. 6:2. Atsaharo ny filazana amin'ny hafa fa tsara ianao! Manetre tena, tahaka izay nataon'i Jesôsy.

"Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady. Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao." - Mat. 5:28,29. Ataovy izay rehetra azo atao mba hialan'ny filan-dratsy ao am-ponao, satria izany no sakana ho an'ny fifandraisanao amin'Andriamanitra.

"Aza mitsara, mba tsy hotsaraina hianareo. Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo." - Mat. 7:1,2. Atsaharo ny fanakianana sy ny fitsaratsarana ny hafa, Andriamanitra no Mpitsara, koa aoka izy no hanao izany asa izany (1 Kor. 4:5).

"Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo." - Mat. 5:44. Atsaharo ny fankahalana ireo fahavalonao. Rehefa mahatsa-pa fihetsehampo miiba manoloana ireo nanao ratsy taminao ianao, dia mametraka sakana ho an'ny fifandraisanao amin'Andriamanitra avy hatrany izany. Izao no ataovy: manomboha mivavaka ho an'ireo fahavalonao ary jereo ny fiovana aterak'izany eo amin'ny fiarahanao mandeha amin'Andriamanitra ary koa eo amin'ny fifandraisanao amin'ny hafa.

"Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia mendrika ho-helohina amin'ny fitsarana." - Mat. 5:22. Angamba ianao efa niezaka nanamarina ny antony itabatabanao amin'ireo izay akaiky anao. Inona anefa ny fiantraikan'ny fahatezeranao amin'ny fifandraisanao amin'Andriamanitra, raha tsy horesahina ny momba ireo olona mahatezitra anao? Lafin-javatra vitsivitsy ihany ireo, amin'izay mety mahalavo antsika.

Nanome fampitandremana mikasika izay tokony hataontsika i Jesôsy, rehefa mitarika antsika hanota ny tanantsika sy ny tongotsika ary ny masontsika. Inona izany fampitandremana izany? Vakio ny Mar. 9:42-48.

Ny hoe manapaka ny tananao na ny tongotrao na koa manaisotra ny masonao, raha izany no mahatonga anao hanota, dia azo lazaina ho tafahoatra. Ninian'i Jesôsy nolazaina mihitsy anefa izany mba hanehoana fa tsy zava-maivamaivana ny fahotana eo imasony, sy ny fiantraikan’izany eo amin'ny fiainantsika. Manao ahoana kosa ny fomba fijerinao ny fahotana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal