I Jesôsy mihitsy no nanazava tamin-kery sy namintina tamin'ny teny mazava ny fifandraisany amin'ny Ialàna .
Inona no ambarany mikasika ny Ialàna ao amin'ny Mat. 5:17, 18?
Ny fefy apetraky ny ray aman-dreny ho an'ny zanany no maneho izay zava-manan-danja amin'izy ireo. Tahaka izany koa, ny lalàn'Andriamanitra dia milaza amintsika ny toetrany sy izay zava-manan-danja Aminy. Nomen'Andriamanitra antsika ny lalany mba hiaro ny fifandraisan-tsika Aminy sy amin'ny hafa, satria fantany fa izany no hitarika antsika eo amin'ny Iafim-piainana rehetra raha mitombo ao Aminy isika. Iza amintsika rahateo moa no tsy mbola nijaly noho ny vokatra mahatsiravina nateraky ny fahotana sy ny fandikan-dalana?
Ny fitiavana an'i Jesôsy no tena ivon'ny Ialana. Hoy i Jesôsy: "Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko." - Jao. 14:15. Raha tena tia an'i Jesôsy marina isika, dia handeha ho azy ny fitandremantsika ny didiny. Rehefa mazava amintsika ny lalàny, dia hitombo ho azy ny fitiavantsika Azy. Ary izao no zava-dehibe kokoa: ny fibanjinantsika mandrakariva ny hazo fijaliana sy ny fahafatesan'i Kristy ho solontsika no fomba tsara indrindra hampitombo fatra ny fitiavantsika an'Andriamanitra.
Izany no mahatonga ny filazantsara tsy afa-misaraka amin'ny Ialana. Izany hoe, na toy inona aza finoantsika ny Ialana sy ny Ianjan'ny fitandremana azy, dia aoka hotsaroantsika mandrakariva fa eo anatrehan'Andriamanitra, ny Ialàna dia manameloka fotsiny ihany. Tsy mamela heloka na oviana na oviana ny Ialàna, tsy mba manamarina, ary tsy manao fanavotana ho antsika. Nefa ampahafantarin’ny Ialàna antsika kosa ny antony ilantsika famelan-keloka sy fanamarinana ary fanavotana. Izany no antony tsy isarahan'ny filazantsara amin'ny Ialàna , eny, fototra iorenan'ny fahatakarantsika ny Ialana mihitsy aza izany. Ny filazan -tsara, izany hoe ny fahafatesan'i Kristy ho antsika, dia manao izay tsy azon'ny Ialàna atao ho antsika: manamarina antsika eo anatrehan'Andriamanitra.
Vakio ireto toko sy andininy manaraka ireto: Rôm. 3:28; Rôm. 4:13-16; Gal. 2:16; Gal. 3:13; Fil. 3:9. Inona ny lesona entin'ireo andalan-teny ireo, izay manampy antsika amin'ny maha mpino antsika hitandrina ny Ialana nefa tsy hanao izany ho fitadiavam-pamonjena?