Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MAHITA VAHAOLANA NY FITIAVANA

Daty
Alarobia 03 April 2024

Nanota i Adama sy i Eva ary nolazain’Andriamanitra fa tsy maintsy ilaozany ny saha Edena fonenany. Manomboka izao dia ny fisasarana sy ny fijaliana no ho anjarany. Tsy maintsyhijaly sy ho faty ao anatin’ny tsy fananam-panantenana ve izy ireo? Ny fahafatesana ve no faran’ny zavatra rehetra?

Tamin’io fotoana io no nanomezan'Andriamanitra azy ireo ilay teny fikasana voalaza ao amin’ny Gen. 3:15; nitodika mivantana tamin'i Satana, ilay menarana, Izy ka nanao hoe: “Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony”'. Mety tsy takany tanteraka ny hevitr'izany tamin’io fotoana io saingy fantany fa afaka manantena indray izy. Avy amin’ny “taranaky ny vehivavy” no hiavian’ny fanavotana azy ireo, na inona na inona fomba hahatanterahan’izany.

Azo antoka fa i Jesôsy Kristy ilay “taranaky ny vehivavy” (Gai. 3:16). Teo amin’ny hazo fijaliana no nanorotoroan'i Satana ny ombelahin-tongony. Saingy ny fandresen'i Jesôsy no ahazoantsika antoka fa indray andro any dia ho voatorotoro ny lohan’ny menarana ary hikatona ny varavaran’ny fijaliana sy ny fahafatesana izay nosokafan’i Adama sy i Eva.

Vakio ny Heb. 2:9, Gal. 3:13, sy ny 2 Kôr. 5:21. Inona no ambaran'ireo andininy ireo antsika momba ny halehiben'ny sorona nataon'i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana?

Efa nanontany tena ve ianao raha tena tia anao marina Andriamanitra? Jereo ny hazo fijaliana; jereo ny satro-tsilo, jereo ireo fantsika teo amin’ny tanany sy ny tongony. Hoy Andriamanitra isaky ny indray mitete amin’ny ra nalatsak’i Jesôsy teo Kalvary: “Tiako ianao. Tsy tiako ny ho any an-danitra tsy misy anao. Eny, nanota ianao; namidinao ho eo am-pelatanan'ny fahavalo ny tenanao; eny, tsy mendrika ny fiainana mandrakizay ianao. Naloako anefa ny onitra mba hamerenana anao.” Rehefa mibanjina ny hazo fijaliana ianao dia tsy hanontany tena intsony ianao raha tiana na tsia.

Miresaka ny amin’i Jesôsy izay tonga teto amin’ity tany ity, nandalo fahoriana, fahadisoam-panantenana, sy fanaintainana tahaka ny olombelona rehetra ny Baiboly. Kristy niatrika fakam-panahy tahaka antsika no ambaran’ny Baiboly – Kristy nandresy ireo fanapahana sy ny herin’ny helo teo amin’ny fiainany sy tamin’ny alalan’ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana – izany rehetra izany, ho an'ny tsirairay avy amintsika, isam-batan’olona.

Saino ity: I Jesôsy, ilay namorona izao tontolo izao (jereo ny Jao. 1:3) no nidina avy any an-danitra, ary tsy vitan’ny tonga teto amin’ity tontolo lavo ity ihany fa nijaly tamin’ny fomba izay tsy hanjo na iza na iza amintsika na oviana na oviana (jereo ny Isa. 53:1-5). Nataony izany satria tiany isika, dia ny tsirairay avy amintsika. Antony lehibe mitondra fanantenana manao ahoana re izany!

Ahoana no namalian’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ireo fia mpangana nataon'i Satana? Amin’ilay ady lehibe ifanandrinan'ny tsara sy ny ratsy. Inona no notanterahin’ny fahafatesany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal