Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MANDRAY LESONA AVY AMIN'NY LASA

Daty
Sabotsy 02 March 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 78; Sal. 105; Gal. 3:29; Sal. 106; Sal. 80; Nom. 6:22-27; Sal. 135.

Tsianjery: "Izay efa rentsika sy fantatsika, ary nambaran'ny razantsika tamintsika, dia tsy mba hafenintsika amin'ny zanany; fa hambarantsika amin'ny taranaka ho avy ny fiderana an'i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony." - Sal. 78:3,4.

Ao amin'ny Salamo maro, ny fiderana dia miseho amin'ny endrika fitantarana ny asam-pamonjena mahagaga nataon'i Jehovah. Ny sasany manasa ny vahoakan'Andriamanitra handray lesona avy amin'ny tantarany, indrindra avy amin'ny fahadisoana nataon'izy ireo sy ny razany. Mibahan-toerana ny hira ao amin'ny sasany amin'ireny Salamo tantara ireny, izay manasongadina ny asa mahagaga nataon'Andriamanitra ho an'ny vahoakany tamin'ny lasa, ary koa manamafy ny fitokian'izy ireo amin'i Jehovah, Izay mahatoky sy mahay manafaka azy ireo amin'ny ady sarotra atrehiny.

Izao no mampiavaka ny Salamo tantara: ampiany isika hahatsapa fa ny tantaram-piainantsika dia ao anatin'ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra, ka ny tantara lasa dia tantaran'ny lasantsika. Koa satria voaray ho isan'ny fianakaviam-ben'ny vahoakan'Andriamanitra ara-tantara isika noho i Kristy (Rom. 8:15; Rôm. 9:24-26; Gal. 4:6,7), dia tantaran'ireo razantsika ara-panahy tokoa ny tantara lasan'ny vahoaka Isiraely fahiny. Noho izany dia afaka mandray ary tokony handray lesona avy amin'ny lasan'izy ireo isika, izay lasantsika koa.

Ny tanjona farany dia ny hahatsapan'ny taranaka tsirairain'ny vahoakan' Andriamanitra fa samy manana anjara kely kanefa tena manan-danja ao anatin'ilay tantara lehiben'Andriamanitra, ao anatin'ny ady ifanandrinan'ny tsara sy ny ratsy izy ireo.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal