Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MIADY MBA HANJAKA AO AMIN'NY SAINA

Daty
Alakamisy 18 April 2024

Vakio ny 2 Kôr. 4:3-6. Inona ny hevitry ny hoe "izay nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao, dia ny sain'ny tsy mino" - 2 Kôr. 4:4? Ahoana no nanajambana ny mason'izy ireo? Inona no mampisokatra ny maso?

Ny teny grika nadika hoe "saina" ao amin'io andininy io dia noema. Ny fomba fijerintsika na ny faharanitan-tsaintsika no heviny ara-bakiteny. Manazava io andininy io ny ao amin'ny SDA Bible Commentary. "Ny ady eo amin'i Kristy sy i Satana dia ady mba hanjakana ao amin'ny sain'ny olombelona. (Rôm. 7:23,25; 12:2; 2 Mr. 3:14, 11;3; Fil. 2:5; 4:7,8). Ny asa fototra ataon'i Satana dia ny hanajamba na hanamaizina ny sain'olombelona. Ataony izany amin'ny fanakanana azy ireo tsy hianatra ny Tenin'Andriamanitra, amin'nyfampanaranam-po ny vatana sy ny fanahy mba hahalefy ny herin'ny saina, amin'ny famenoana ny saina amin'ireo zavatra eto amin'ity fiainana ity, ary amin'ny fandrisihana ny avonavona sy ny fanandratan-tena." — b. 6, t. 854.

Ny tsy fahalalan'ireo very dia tsy vokatry ny tsy nahafahany mahalala tsy akory. Avy amin'ny tsy finiavany hahalala izany. Mara no nanana tombontsoa azo nohararaotina hahalalana ny fahamarinana, saingy nisafidy ny tsy hino izy ireo, ka nohajambain'i Satana ny masony. Ny fanjakan'i Satana dia fanjakan'ny haizina. Hoy koa ny SDA Bible Commentary: "Ny Filazantsara no harry fomba ahafahana mampiharihary ny drafitra sy ny fitaka ataon'i Satana, ary io no ahafahan'ny olona mahita ny lalana miala amin'ny haizina ho amin'ny fahazavana." — b. 6, t. 854. Ny fiainan'i Jesôsy , ny fahafatesany, ary ny fitsanganany tamin'ny maty no votoatin'ny hafatry ny Testamenta Vaovao. Ivon'ny Filazantsara sy ivon'ny Soratra Masina i Jesosy. Manambara Azy ny Soratra Masina manontolo (Jao. 5:39).

Vakio ny Jao. sy ny 14. Ahoana no anoritsoritan'ireo andininy ireo an'i Jesôsy ? Mariho manokana ny Jao. 1:14.p.

Nandritra ireo taonjato voalohandohany niorenan'ny fiangonana kristianina, dia nanalo-tena tanteraka ho an'i Kristy, Ilay fanazavana azy ireo tao amin'ny maizina, ny mpino tao amin'ny Testamenta Vaovao. Ny fahasoavany no nanavotana azy ireo, ny heriny no nanova azy ireo, ary ny fitiavany no nampahery azy ireo. Na ny fahafatesana aza tsy nahatapaka ny fifandraisana feno fahatokiana namatotra azy tamin'i Kristy. Ny fahazavana be voninahitry ny filazantsara no nahafantarany ny fitaky ny devoly. Nanana lehilahy sy vehivavy izay niaro ny fahamarinany tamin-kerim-po hatrany i Kristy, noho ny fahasoavany. Nandritra ireo taonjato voalohany ireo dia namirapiratra tao amin'ny haizina ny fahazavan'ny fitiavana sy ny fahasoavana ary ny fahamarinan'i Kristy. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal