Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miala amin'ny hakiviana ho amin'ny fanantenana

Daty
Alarobia 10 January 2024

Inoana fa nisy ny fotoana izay sammy efa nahatsapantsika rehetra fa toa lavitra antsika ny fanatrehan'Andriamanitra. Iza no tsy efa nanao anakampo hoa, Ahoana no nahatonga izao zavatra izao?

Azo antoka fa efa nandalovan'ireo mpanao Salamo, izay olombelona lahaka antsika koa, izany Marina fa mazana ny fahotantsika no mahatonga ny zava-tsarotra amintsika, kanefa indraindray toa tsy rariny ihany ny fisehon izany, ka mahatsapa isika fa tsy mendrika antsika ny zava-manjo antsika ankehitriny. Averina indray, iza no tsy efa nandalo tamin'izany?

Vakio ny Sal. 13. Inona ireo toe-tsaina roa fototra hitando ao amin lo Salamo lo? Araka ny hevitrao, inona ny fanapahan-kevitra nanova tanteraka ny fomba fijerin'ilay mpanao Salamo?

"O, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy ihany? Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko?"-Sal. 13:1. Averina indray, iza no tsy efa nanana izany fihetseham-po izany, na diso toy inona aza izany? (Mety manadino ve Andriamanitra na dia ny iray amintsika aza?)

Manoro antsika ny fomba tsy hahalatsaka antsika amin'ny fahadisoana mpahazo ny olona ny Sal. 13, dia ny tsy tokony hifantohantsika amin'ny tenantsika sy ny olantsika rehefa mivavaka isika. Afaka manova ny fivavatsika io Salamo io amin'ny filarihany antsika hahalsiaro fa mahatoky sady tsy miova Andriamanitra eo amin'ny fifandraisany amin'ny olony.

Marina fa nanomboka tamin'ny falahelovana sy fitarainana ilay Salamo, kanefa tsy mijanona hatreo. Ary io no tena teboka manan-danja.

Mitaona antsika hifidy tsy amim-pihambahambana ny hitoky amin'ny herin'Andriamanitra manavotra io Salamo io (Sal. 13:5) mba hahafoizantsika tsikelikely ny tahotsika sy ny tebitebintsika (Sal. 13:1-4) ka handraisantsika kosa ny famonjen Andriamanitra sy hanombohantsika fanandramana amin'ny fialana amin'ny fitarainana ho amin'ny fiderana, ary fialana amin'ny hakiviana ho amin'ny fanantenana (Sal. 13:5,6).

Saingy ny famerimberenana ny teny ao amin'ny Salamo kanefa zara raha takatra ny heviny dia tsy hitondra ilay fiovana marina kendren'ny fampiasana azy. Tokony hangataka ny Fanahy Masina isika rehefa manao ny salamo ho tonom-bavaka mba hahatonga antsika haneho fihetsika sy asa mifanaraka amin'izay takin'llay Salamo. Tenin'Andriamanitra, tsy mitondra fahalalana ho an'ny mpino fotsiny fa manova ny toetrany sy ny asany, ny Salamo. Noho ny fahasoavan'Andriamanitra dia hita eo amin'ny fiainan'ny mpino ny teny fikasana ao amin'ny Salamo. Midika izany fa avelantsika hanefy antsika ho araka ny sitrapony nyntenin'Andriamanitra, ary koa hampiray antsika amin'i Kristy, Izay naneho ny sitrapon'Andriamanitra tamin'ny fomba tonga lafatra, Zanak'Andriamanitra tonga nofo, Izay nanao ny Salamo ho tonom-bavany koa.

Mety hampanakaiky anao kokoa amin'Andriamanitra ny filsapana. amin'ny fomba ahoana? Ahoano anefa no mely hahatonga Izany hampanalavitra anao amin'Andriamanitra raha tsy mitandrina lanao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal