Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FIAVIAN'NY ZANAK'OLONA

Daty
Alakamisy 05 September 2024

Vakio ny Mar. 13:24-32. Inona ny toe-javatra lehibe tantaraina eto?

Tsy hafa izany fa ny fiverenan'i Jesôsy Kristy amim-boninahitra, ialohavan'ireo famantarana eo amin'ny masoandro amam-bolana ary ny kintana. Ahitana faminaniana marobe manondro io toe-javatra mahatalanjona io ao amin'ny Testamenta Vaovao.

Manoritsoritra izany an-tsipiriany i Paoly apôstôly ao amin'ny 1 Tes. 4:13-18, izay iresahany momba ireo efa nodimandry ao amin'i Kristy izay hatsangana ho amin'ny fiainana ary hakarina miaraka amin'ireo olona masina mbola velona mba hihaona amin'i Kristy eny amin'ny rahona. Resahin'ny apôstôly an-tsipiriany ao amin'ny 1 Kôr. 15 ny amin'ny fitsanganana amin'ny maty, izay hiseho amin'ny fiverenan'i Kristy.

Manoritsoritra io andro lehibe io koa i Petera ao amin'ny 2 Pet. 3:3-13, ka hazavainy amin'izany fa tsy mahela ny teny fikasany ny Tompo fa maniry ny hahatongavan'ny rehetra ho amin'ny fibebahana. Sary velona no anehoan'ny Apôkalipsy ny fiverenan'i Kristy (jereo ny Apôk. 1:7, Apôk. 6:12-17, Apôk. 14:14-20, ary ny Apôk. 19:11-21). Izao no fampianarana averin'ny Testamenta Vaovao mandrakariva: ny tenan'i Kristy mihitsy no ho tonga amin'ny fiverenany. Ara-bakiteny izany ary hitan'ny maso sy ren'ny sofina. Ny olona rehetra no hahita Azy rehefa ho avy lzy.

Inona àry no tian'i Jesôsy hambara amin'ny hoe "ity taranaka ity" sy ny hoe "andro izany" na "ora izany"? Manahiran-tsaina olona maro ireo teny ireo satria mazava loatra fa efa maty efa ela ny taranaka nanambaran'i Jesôsy izany.

Vokatr'izany dia misy vahaolana maro mifandraika amin'ireo andalan-teny ireo atolotra ny olona. Misy ireo milaza fa ny teny hoe "taranaka" dia manondro taranaka avy amin'ny firenena iray; ny Jiosy izany. Izany hoe, tsy ho fongana ny firenena jiosy mandra-piverenan'i Kristy. Soso-kevitra iray hafa koa ny amin'ny taranaka iray mahita ny fahatanterahan'ireo famantarana rehetra, izay tsy ho ringana mandra-piverenan'i Kristy.

Vahaolana tsotra kokoa anefa ny fanamarihana fa mampiasa ny teny hoe "ity" ao amin'ny "ity taranaka ity" i Jesôsy ao amin'ny Mar. 13:30, ary ampiasainy ao amin'ny Mar. 13:32 ny teny hoe "izany" ao amin'ny "izany andro na ora izany". Ao amin'ny Mar. 13, dia hita bebe kokoa ao amin'ny and. 1-13 ny teny hoe "ity" (houtos, haute touto), izay miafara amin'ny fandravana an'i Jerosalema. lo teny io no misongadina ao amin'ny tapany farany amin'io toko io.

Araka izany, "ity taranaka ity" dia manondro ny taranaka tamin'ny taonjato voalohany, izay nahita ny fandravana an'i Jerosalema, araka izay ambaran'ny Mar. 13:30. Ny Mar. 13:32 kosa dia miresaka ny amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany, izay mbola amin'ny hoavy sy lavitry ny taonjato voalohany. Mampiasa ny teny hoe "izany" ny Mar. 13:32 mba hiresahana toe-javatra hiseho aoriana lavitry ny taonjato voalohany.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal