Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fitaky ny lalan-diso

Daty
Alarobia 21 February 2024

Vakio ny Sal. 141. Inona no antom-bavaky ny mpanao Salamo eto?

Vavaka fangatahana fiarovana amin'ny fakam-panahy avy ao anatiny sy avy any ivelany ny Sal. 141. Tsy vitan'ny tandindomin-doza ho voafandriky ny ratsy fanahy fotsiny ny mpanao Salamo (Sal. 141:9,10) fa alaim-panahy hanao tahaka ny ratsy fanahy koa. Ny lafiny voalohany mampalemy ny mpanao Salamo dia ny vavany, ary mivavaka izy mba hambenan'ny Tompo ny varavaran'ny molony (Sal. 141:3). Ny fiambenana ny vavahadin'ny tanana, tamin'ny andron'ny Baiboly, izay fiarovana ilay tanana, no aseho amin'io sary an'ohatra io.

Ary izao koa no fakam-panahy: hanaraka ny torohevitry ny marina ve ny zanak'Andriamanitra sa hanaiky ho voafitaky ny fandroboan'ny mpanao ratsy (Sal. 141:4,5)? Ny fony no hitan'ilay mpanao Salamo fa tena ahiana, satria eo no tena sehatry ny ady. Vavaka tsy mitsahatra omban-toky tanteraka sy fanoloran- tena amin'Andriamanitra no hany mahavonjy ny zanak'Andriamanitra amin'ny fakam-panahy (Sal. 141:2).

Vakio ny Sal. 1:1 sy ny Sal. 141:4. Ahoana no anoritsoritana ny toetry ny fakam-panahy izay misoko miadana sy feno hafetsena eto?

Manoritsoritra ny toetry ny fakam-panahy izay mandroso miandalana ny Sal. 141:4. Voalohany, mirona ho amin'ny ratsy ny fo. Faharoa, mahavanona asa ratsy izany (ny hevitry ny teny hebreo niavian'ilay dikan-teny dia maneho fiverimberenan'ilay asa). Fahatelo, mihinana ny zava-pin'ny ratsy fanahy ny fo, izany hoe manaiky ireo fomba ratsiny ho zavatra maha-te ho tia.

Toy izany koa ao amin'ny Sal. 1:1. Sakanan'ny fakam-panahy tsy hizotra eo amin'ny lalan'ny Tompo ny zanak'Andriamanitra amin'ny fitaomany azy handeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, hijanona eo amin'ny làlana falehan'ny mpanota, ary hipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira. Tsy azontsika atao ny ho tahaka ireo olon-dratsy ireo na hamela azy ireo hampanalavitra antsika amin'ny Tompo.

Ny fiafaran'ny ratsy fanahy sy ny olo-marina dia tokony hampianatra ny olona hitady fahendrena avy amin'Andriamanitra (Sal. 1:4-6; Sal. 141:8-10). Kanefa ao amin'ny Salamo, ny fanamarinana farany ny zanak'Andriamanitra dia mbola amin'ny hoavy. Midika izany fa antsoina hatoky an'Andriamanitra sy hiandry Azy amim-paharetana ny mpino.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal