Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fitaky ny lalan-diso

Daty
Alarobia 21 February 2024

Vakio ny Sal. 141. Inona no antom-bavaky ny mpanao Salamo eto?

Vavaka fangatahana fiarovana amin'ny fakam-panahy avy ao anatiny sy avy any ivelany ny Sal. 141. Tsy vitan'ny tandindomin-doza ho voafandriky ny ratsy fanahy fotsiny ny mpanao Salamo (Sal. 141:9,10) fa alaim-panahy hanao tahaka ny ratsy fanahy koa. Ny lafiny voalohany mampalemy ny mpanao Salamo dia ny vavany, ary mivavaka izy mba hambenan'ny Tompo ny varavaran'ny molony (Sal. 141:3). Ny fiambenana ny vavahadin'ny tanana, tamin'ny andron'ny Baiboly, izay fiarovana ilay tanana, no aseho amin'io sary an'ohatra io.

Ary izao koa no fakam-panahy: hanaraka ny torohevitry ny marina ve ny zanak'Andriamanitra sa hanaiky ho voafitaky ny fandroboan'ny mpanao ratsy (Sal. 141:4,5)? Ny fony no hitan'ilay mpanao Salamo fa tena ahiana, satria eo no tena sehatry ny ady. Vavaka tsy mitsahatra omban-toky tanteraka sy fanoloran- tena amin'Andriamanitra no hany mahavonjy ny zanak'Andriamanitra amin'ny fakam-panahy (Sal. 141:2).

Vakio ny Sal. 1:1 sy ny Sal. 141:4. Ahoana no anoritsoritana ny toetry ny fakam-panahy izay misoko miadana sy feno hafetsena eto?

Manoritsoritra ny toetry ny fakam-panahy izay mandroso miandalana ny Sal. 141:4. Voalohany, mirona ho amin'ny ratsy ny fo. Faharoa, mahavanona asa ratsy izany (ny hevitry ny teny hebreo niavian'ilay dikan-teny dia maneho fiverimberenan'ilay asa). Fahatelo, mihinana ny zava-pin'ny ratsy fanahy ny fo, izany hoe manaiky ireo fomba ratsiny ho zavatra maha-te ho tia.

Toy izany koa ao amin'ny Sal. 1:1. Sakanan'ny fakam-panahy tsy hizotra eo amin'ny lalan'ny Tompo ny zanak'Andriamanitra amin'ny fitaomany azy handeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, hijanona eo amin'ny làlana falehan'ny mpanota, ary hipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira. Tsy azontsika atao ny ho tahaka ireo olon-dratsy ireo na hamela azy ireo hampanalavitra antsika amin'ny Tompo.

Ny fiafaran'ny ratsy fanahy sy ny olo-marina dia tokony hampianatra ny olona hitady fahendrena avy amin'Andriamanitra (Sal. 1:4-6; Sal. 141:8-10). Kanefa ao amin'ny Salamo, ny fanamarinana farany ny zanak'Andriamanitra dia mbola amin'ny hoavy. Midika izany fa antsoina hatoky an'Andriamanitra sy hiandry Azy amim-paharetana ny mpino.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal