Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fitsaran'Andriamanitra sy ny Fitoerana Masina

Daty
Alakamisy 08 February 2024

Vakio ny Sal. 96:6-10; Sal. 99:1-4; sy ny Sal. 132:7-9, 13-18. Aiza no miseho ny fitsaran' Andriamanitra? Inona no akon'ny valin'izany fanontaniana izany amintsika? Ahoana no anampian'ny fitoerant masina antsika hahatakatra ny fomba fiatrehan'Andriamanitra ny fahotana?

Mifandray akaiky amin'ny fitoerana masina ny fitsaran'Andriamanitra. Teo amin'ny fitoerana masina sy ny tontolony no nampiova ny fahatakaran'ny mpanao Salamo ny olan'ny faharatsiana (Sal. 73:17-20). Notendrena ho toeran'ny fitsaran'Andriamanitra ny fitoerana masina, araka ny tondroin'ny fitsaran'i Orima (Nom. 27:21), sy ny saron-tratra fitsaran'ny mpisoronabe (Eks. 28:15, 28-30). Koa maro ny Salamo manoritsoritra an'Andriamanitra eo amin'ny seza fiandrianany, vonona hitsara izao tontolo izao noho ny fahotany sy ny faharatsiany.

Nambara tao amin'ny fitoerana masina ny drafi-panavotana. Teo amin'ny mpanompo sampy dia loto ara-nofo no tena nandraisana ny fahotana, izay natao hesorina amin'ny alalan'ny majika. Ny Baiboly kosa dia maneho ny fahotana ho fandikana ny lalàna môralin'Andriamanitra. Ny fahamasinan'Andriamanitra dia midika fa tia ny rariny sy ny fahamarinana izy. Tokony hitady ny rariny sy ny fahamarinana toy izany koa ny vahoakan'Andriamanitra, ary tokony hankalaza an'Andriamanitra ao anatin'ny fahamasinany.

Araka izany dia toeram-pamelana heloka sy famerenana amin'ny laoniny ny fahamarinana ny fitoerana masina, araka ny asehon'ny rakotra fanaovam- panavotana misy ny seza fiandrianan'Andriamanitra, ary koa ny "fanati- pahamarinana" (Deo. 33:19, Sal. 4:5).

Kanefa mamaly ny asa ratsin'ireo izay tsy mety mibebaka io Andriamanitra mpamela heloka io (Sal. 99:8). Toerana itrangan'ny fitsaran'Andriamanitra ny fitoerana masina; mahatonga fahatsapana mandrakariva ny fahamasinan' Andriamanitra sy fiainana mifanaraka amin'ireo fitakian'ny faneken'Andriamanitra izany. Ny vokatry ny fitsaran'Andriamanitra dia fiadanana ho an'ny olo-marina ary faharesena ho an'ny ratsy fanahy (Sal. 132:13-18). Nikolokolo fanantenana mahafinaritra ny amin'ny fiavian'ny Tompo amin'ny maha-Mpitsara Azy ny fitoerana masina, indrindra tamin'ny Andro Fanavotana. Hamafisin'ny Salamo koa fa azo antoka ny fahatongavan'llay Andriamanitra Mpitsara (Sal. 96:13; Sal. 98:9), izany hoe Jesôsy Kristy, ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra (Apôk. 11:15-19).

Vakio ny Rom. 8:34. Ahoana no anehoan'io andininy io amintsika fa vaovao mahafaly ho an'ny vahoakan' Andriamanitra ny zavatra ataon'i Kristy ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal