Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo

Daty
Alahady 10 March 2024

Vakio ny Sal. 84:1-4, Nahoana ny mpanao Salamo no maniry fatratra hitoetra ao amin'ny fitoerana masina?

"Manina" sy “vonton’alahelo” ny fitoerana masina ilay mpanao Salamo; iriny ny hitoetra ka tsy hiala ao mba hanakaikezany an’Andriamanitra mandrakariva (Sal. 84:1,2). Ny fanatrehan’Andriamanitra velona no mahatonga ny fitoerana masina ho toerana miavaka (Sal. 84:2).Ao amin'ny fitoerana masina, dia azon'ny mpivavaka atao ny “hahita ny hatsaran’i Jehovah’ (Sal. 27:4, DIEM; jereo koa ny Sal. 63:2) ary koa ny “ho voky ny zava-tsoa ao amin'ny tranonao’ - Sal. 65:4. ‘Ao amin'ny Sal. 84, dia fifaliana tsy misy toa izany no azo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, dia amin'ny fiderana Azy (Sal. 84:4) sy amin’ny fahazoana hery ao Aminy (Sal. 84:5) ary amin’ny fitokiana Aminy (Sal. 84:12). Ny fitoerana masina no toerana amelombelomana ny fifandraisana tahaka izany amin'ny alalan'ny fiankohofana sy ny firahalahian'ny mpino. Ny fanatrehan’Andriamanitra velona ao amin'ny fitoerana masina no ahitana taratra ny fanjakany be voninahitra sy fanandramana sahady ny fiainana mandrakizay.

Vakio ny Sal. 84:5-12. Iza koa no mahazo fitahiana avy amin'ny fitoerana masina?

Voalaza fa mamirapiratra avy ao amin'ny fitoerana masina ny fitahian’ ‘Andriamanitra, ary ireo izay manompo ao amin'ny fitoerana masina no androtsahana izany voalohany indrindra (Sal. 84:4); aorian'izy ireo dia ny mpivahiny hankao amin'ny fitoerana masina (Sal. 84:5-10) ary amin'ny farany dia mahatratra any amin'ny faran'ny tany izany. Mampatanjaka ny finoan‘ireo mpivahiny ny fanantenana ny fihaonana amin’Andriamanitra ao amin'ny fitoerana masina (Sal. 84:7). Mihena ny herin’ny mpivahiny tsotra rehefa vesaran'ny dia lavitra mandreraka, fa ny mpivahiny hankany amin’ny fitoerana masina kosa dia mitombo hery arakaraka ny anakaikezany ny fitoerana masina.

Na dia nesorina tsy ho ao amin’ny fitoerana masina aza ny tenan'ny zanak’ ‘Andriamanitra dia mbola mitondra ny mariky ny fitoerana masin’Andriamanitra hatrany izy ireo amin’ny fananana fiainana mendrika (Sal. 84:11), izay toetra mampiavaka ny marina miditra ao amin'ny tabernakelin'i Jehévah (Sal. 15:1,2). ‘Antsoina hoe “Masoandro” i Jehévah; maneho izany fa ny fitahiana avy ao amin'ny fitoerana masina, tahaka ny tara-masoandro, dia mipaka hatrany amin'ny faran’ny tany (Sal. 84:11). Araka izany, ireo izay mitoetra eo amin’ Jehévah amin'ny alalan'ny finoana dia mandray ny fahasoavany, na aiza na aiza toerana misy azy ireo.

Vakio ny Apok. Inona ny fanantenana hita taratra teo amin'ny fitoerana masina teto an-tany izay ambara amintsika eto? Ahoana no ahazoanisika sary an-tsaina ankehitriny ny ho toetr'izany fanandramana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal