Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY SANDAN'NY MAHA-MPIANATRA

Daty
Alatsinainy 12 August 2024

Vakio ny Mar. 8:31-38. Inona no ampianarin'i Jesôsy eto momba ny sandan'ny fanarahana an'i Kristy?

Tonga eo amin'ny kihon-dalana iray lehibe eo amin'ny fifandraisany amin'i Jesôsy ny mpianatra. Fantatr'izy ireo ankehitriny fa Izy no Mesia. Ny mpamaky ny bokin'ny Marka dia efa mahalala izany hatrany am-boalohany (Mar. 1:1) ka manana tombony raha miolotra amin'ireto mpianatra mbola mikaviavia.

Tamin'ny fotoana voalohany niantsoan'i Jesôsy ny mpianany dia nilaza Izy fa hataony mpanarato olona izy ireo (Mar. 1:17). Tsy mbola nisy resaka fotoan-tsarotra teto. Kanefa satria efa fantatr'izy ireo izao hoe lza marina Izy, dia novelariny teo anatrehan'ireto mpianatra ireto ny zava-kendren'ny iraka nampanaovina azy - tsy maintsy hijaly mafy ka holavina sy hovonoina Izy, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray.

Mahatohina izany vaovao izany. I Petera, ilay vao avy niaiky teo fa i Jesôsy no Mesia, dia nanjary naka Azy mitokana ka nananatra Azy tsy hiteny zavatra toy izany. Taterin'i Marka mivantana ny tenin'i Jesôsy taorian'izany, izay inoana fa nanindrona ny fon'i Petera ny nandre azy. Nantsoin'i Jesôsy hoe Satana i Petera sady nasainy nankany ivohony satria tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny fisainany.

"Tsy ho fanampiana na ho fampiononana ho an'i Jesôsy eo amin'ny fitsapana lehibe manoloana Azy ny tenin'i Petera. Tsy nifandrindra tamin'ny fikasan'Andriamanitra momba ny fahasoavana atolony ho an'izao tontolo izao very izany, na nifandrindra tamin'ny leson'ny fahafoizan-tena izay nahatongavan'i Jesôsy hampianarina tamin'ny alalan'ny ohatra nomeny."- IFM, t. 446.

Antsoina hanana tanjona mitovy amin'ny an'i Jesôsy ireo mpianany, dia ny hitondra ny hazo fijaliana ka hanaraka Azy. Ny fanomboana amin'ny hazo fijaliana no famonoan'olona, izay fomba tsy mifaditrovana, manala baraka, ary mampihorohoro indrindra, fantatr'i Rôma. Andosiran'ny olona amin'ny fomba rehetra tokoa ny hazo fijaliana. Koa hisy olona ve haniry hitondra hazo fijaliana ho fanehoana ny fanoloran-tenany ho an'i Jesôsy?

Tsy ny sandan'ny maha-mpianatra ihany no nohazavain'i Jesôsy fa ny maha-zava-dehibe indrindra izany koa. Amin'ny finoana kristianina dia izay mahavery ny ainy no hamonjy izany. Fa raha mahazo izao tontolo izao kosa ny olona kanefa veriny ny fiainana mandrakizay, dia fahadalana sy fatiantoka izany. Nilaza izany mazava i Jim Elliott, amin'ny maha-misiônera azy, tao amin'ny Iahatsorany ny 28 Oktôbra 1949, nanao hoe: "tsy adala ny olona izay mahafoy ny zavatra tsy hainy tehirizina ho takalon'ny zavatra izay tsy ho foiny mandrakizay."

"Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hiaro izany ho amin'ny fiainana mandrakizay." Jao. 12:25. Ahoana no efa nahatsapanao ny fahamarinan'io teny io? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal