Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY SANDAN'NY MAHA-MPIANATRA

Daty
Alatsinainy 12 August 2024

Vakio ny Mar. 8:31-38. Inona no ampianarin'i Jesôsy eto momba ny sandan'ny fanarahana an'i Kristy?

Tonga eo amin'ny kihon-dalana iray lehibe eo amin'ny fifandraisany amin'i Jesôsy ny mpianatra. Fantatr'izy ireo ankehitriny fa Izy no Mesia. Ny mpamaky ny bokin'ny Marka dia efa mahalala izany hatrany am-boalohany (Mar. 1:1) ka manana tombony raha miolotra amin'ireto mpianatra mbola mikaviavia.

Tamin'ny fotoana voalohany niantsoan'i Jesôsy ny mpianany dia nilaza Izy fa hataony mpanarato olona izy ireo (Mar. 1:17). Tsy mbola nisy resaka fotoan-tsarotra teto. Kanefa satria efa fantatr'izy ireo izao hoe lza marina Izy, dia novelariny teo anatrehan'ireto mpianatra ireto ny zava-kendren'ny iraka nampanaovina azy - tsy maintsy hijaly mafy ka holavina sy hovonoina Izy, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray.

Mahatohina izany vaovao izany. I Petera, ilay vao avy niaiky teo fa i Jesôsy no Mesia, dia nanjary naka Azy mitokana ka nananatra Azy tsy hiteny zavatra toy izany. Taterin'i Marka mivantana ny tenin'i Jesôsy taorian'izany, izay inoana fa nanindrona ny fon'i Petera ny nandre azy. Nantsoin'i Jesôsy hoe Satana i Petera sady nasainy nankany ivohony satria tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny fisainany.

"Tsy ho fanampiana na ho fampiononana ho an'i Jesôsy eo amin'ny fitsapana lehibe manoloana Azy ny tenin'i Petera. Tsy nifandrindra tamin'ny fikasan'Andriamanitra momba ny fahasoavana atolony ho an'izao tontolo izao very izany, na nifandrindra tamin'ny leson'ny fahafoizan-tena izay nahatongavan'i Jesôsy hampianarina tamin'ny alalan'ny ohatra nomeny."- IFM, t. 446.

Antsoina hanana tanjona mitovy amin'ny an'i Jesôsy ireo mpianany, dia ny hitondra ny hazo fijaliana ka hanaraka Azy. Ny fanomboana amin'ny hazo fijaliana no famonoan'olona, izay fomba tsy mifaditrovana, manala baraka, ary mampihorohoro indrindra, fantatr'i Rôma. Andosiran'ny olona amin'ny fomba rehetra tokoa ny hazo fijaliana. Koa hisy olona ve haniry hitondra hazo fijaliana ho fanehoana ny fanoloran-tenany ho an'i Jesôsy?

Tsy ny sandan'ny maha-mpianatra ihany no nohazavain'i Jesôsy fa ny maha-zava-dehibe indrindra izany koa. Amin'ny finoana kristianina dia izay mahavery ny ainy no hamonjy izany. Fa raha mahazo izao tontolo izao kosa ny olona kanefa veriny ny fiainana mandrakizay, dia fahadalana sy fatiantoka izany. Nilaza izany mazava i Jim Elliott, amin'ny maha-misiônera azy, tao amin'ny Iahatsorany ny 28 Oktôbra 1949, nanao hoe: "tsy adala ny olona izay mahafoy ny zavatra tsy hainy tehirizina ho takalon'ny zavatra izay tsy ho foiny mandrakizay."

"Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hiaro izany ho amin'ny fiainana mandrakizay." Jao. 12:25. Ahoana no efa nahatsapanao ny fahamarinan'io teny io? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal