Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tenako tsy niafina taminao

Daty
Alahady 21 January 2024

Vakio ny Sal. 139:1-18. Ahoana no anoritsoritan'izany ny herin' Andriamanitra (Sal. 139:1-6), ny fanatrehany (Sal. 139:7-12), ary ny fahatsarany (Sal. 139:13-18) amin'ny fomba kanto? Hitantsika eto ny fahalehibiazan'Andriamanitra; inona no ambaran'izany momba ireo teny fikasany?

Efa naniry hanampy olona ve ianao kanefa tsy nanana ny fomba hoenti- manatanteraka izany? Toy izany koa, misy olona miezaka manampy anao kanefa tsy fantany izay tena ilainao. Andriamanitra kosa, Izay tsy misy tahaka Azy na dia ireo olona be fitiavana sy tsara sitrapo indrindra aza, dia mahalala antsika sy ny toe- javatra iainantsika an-tsipiriany, ary hainy koa ny fomba hanampiana antsika. Noho izany, ny teny fikasany dia toky azo antoka fa tsy kobaka am-bava tsy akory.

Lehibe loatra sady tsy manam-paharoa ny fahalalan'Andriamanitra ilay mpanao Salamo, hany ka na dia ny kibon-dreniny aza tsy mahafina azy tsy ho hitan'Andriamanitra (Sal. 139:13,15). Mahakasika ny fotoana (Sal. 139:2), ny toetra anatin'ny maha-olona (Sal. 139:2,4), ary ny toerana (Sal. 139:3) ny fahalalan'Andriamanitra - dia ny fiainan'ilay mpanao Salamo manontolo. Amin'ny maha-Mpahary Azy, sy noho ny fifandraisany ety amin'ny olona, ary ny fiahiany azy ireo amin'ny fomba azo tsapain-tanana, no ananan'Andriamanitra izany fahalalana mahagaga izany.

lo fahamarinana mahavariana io, izany hoe ny fahafantaran'Andriamanitra tanteraka antsika, dia tsy tokony hampatahotra antsika fa hitondra antsika kosa ho eo an-tsandrin'i Jesôsy, hiantehitra amin'izay nataony ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana. Nomena antsika amin'ny alalan'ny finoana Azy mantsy ny fahamarinan'i Jesôsy, dia "ny fahamarinan'Andriamanitra" (Rôm. 3:5,21).

Ny fanoritsoritana fa tonga hatrany amin'ny fiainan-tsy hita (sheol, na "Fasana") sy ny "maizina" Andriamanitra (Sal. 139:8,11,12), izay tsy toeram-ponenany mahazatra, dia manasongadina ny fanatrehany. Aseho koa izany amin'ny filazana hoe "maka ny elatry ny maraina (...)" mba ho "any am-paran'ny ranomasina" - Sal. 139:9. Izao no tian'ireo sary an'ohatra ireo ambara: tsy misy toerana tsy tratran'Andriamanitra na aiza na aiza eto amin'izao tontolo rehetra izao. Na dia tsy anisan'izao tontolo izao araka ny finoan'ny olona aza Andriamanitra dia akaiky azy tokoa, satria tsy vitan'ny nahary azy Izy fa mihazona azy koa (jereo ny Heb. 1:3).

Noho ny fahafantarany ny momba antsika manontolo dia afaka manampy sy manasitrana antsika Andriamanitra. Mahavelom-piderana sy manavao ny fitokian'ilay mpanao Salamo ny fahatsapana mazava ny fahalehibiazan'Andriamanitra. Ny fandinihan'Andriamanitra ny tsipirian'ny tenany dia ekeny ho fitaovana afaka manaisotra izay rehetra manelingelina ny fifandraisany amin'Andriamanitra eo amin'ny fiainana.

Mety hampatahotra ny sasany ny fieritreretana fa mahafantatra zavatra betsaka toy izany momba azy Andriamanitra, eny, na dia ny tsiambaratelony miafina indrindra aza. Nahoana anefa ny filazantsara no hany fanantenana ho antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal