Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

VITA NY IRAKA

Daty
Alakamisy 28 December 2023

Vakio ny Apok. 21:1-4 sy ny Apok. 21:22--22:5. Inona ny toe- javatra voatantara eto?

Ho paradisa manao ahoana re ny tany vaovao! Tsy hisy fahafatesana sy ota intsony, ary ho ringana i Satana sy ny faharatsiana. Ho hitantsika ny Mpanavotra antsika be fitiavana ary ho tafakambana amin'ireo malalantsika indray isika. Ary ny olona avy amin'ny fokom-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra no ho mponina ao amin'ilay tany vaovao.

Ny kômitin'ny asa maneran-tany any amin'ny foibe dia nanaiky ny hampiasana fandrefesana ny asa maneran-tany, izay hamantarana raha toa efa nitoriana ny hafatra na tsia ny vondron'olona iray. Ny "vondron'olona nandre ny hafatra" dia vondron'olona ahitana antontan'isa ampy sy fitaovana mahomby hahafahana mijoro ho vavolombelona eo amin'ireo izay tsy ao anatiny kanefa tsy mila fanampiana avy aty ivelany; manao fanompoam-pivavahana izy ireo, manana Baiboly ary andalan- teny hafa amin'ny fiteniny; ary misy tompon'andraikitry ny flangonana avy co an-toerana afaka mijoro ho vavolombelona ny amin'ireo olona ambiny amin'ny fiarahamonina kanefa tsy mila mpandika teny.

Ny "vondron'olona tsy mbola nandre ny fahamarinana" dia vondrona iray izay tsy ahitana mpino advantista (na vitsy loatra) ary tsy manana fitaovana mahomby hahafahana manao fijoroana ho vavolombelona amin'ireo olona ao aminy ka tsy ilany fanampiana avy amin'ny kolontsaina ivelan'ny azy.

Ny fiangonana eo an-toerana tsirairay sy ny federasiona tsirairay no tokony hamaritra ny vondron'olona mila tratrarina ao amin'ny fiarahamonina misy azy. Izao no fotoana mety hanaovana ny irak'Andriamanitra amin'ny fanaovana ny vondron'olona rehetra ho mpianatra, amin'ny fanafainganana ny fiverenan'ilay Mpamonjintsika ka hiara-monina amin'izy ireo any amin'ilay lanitra vaovao sy tany vaovao izay ampanantenaina eto isika.

Fanamby: Ahoana no hanafaingananao ny fiverenenan'i Kristy? Mamboly voan'ny fanantenana ao am-pon'ireo izay mila mandre ny vaovao mahafaly ve ianao? Tondrahanao ve ireo mpino vaovao, amin'ny fanampiana azy ireo hahatakatra ny hevitry ny hoe miaina flainana feno fankatoavana an'i Kristy? Mivavaha mba hahita hirika hiresahana ny amin'ny fampanantenana ny lanitra vaovao amin'ireo olona ao anatin'ny lisitry ny vavaka ataonao isan'andro.

Manaova fihaikana: vonona ny handray an'i Kristy ny sasany amin'ireo "mpianatrao". Izany hoe vonona ny hankany am-piangonana na hanatona vondrona mpino. Mipetraha eo amin'ny toerana misy azy ary alaivo sary an-tsaina fandehananao any am-piangonana voalohany indrindra. Fanandramana manao ahoana no hiainany? 

Ahoana ny fahavononan'ny fiangonanao handray olona vaovao sy hanao azy ireo ho mpianatra? Misokatra ho amin'ny fananganana vondron'ny mpino vaovao ve ianao fa tsy amin'ny fanorenana ny fiangonanao izay efa misy ihany? Manangana paikady hanarenana ireo tsy fahombiazana. Zarao amin'ny mpitarika ny fiangonanao ny hevitrao ary miaraha miasa amin'izy ireo amin'ny fampandehanana drafitra hahatonga ny fiangonana hanao mpianatra an-tsitrapo kokoa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal