Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

VITA NY IRAKA

Daty
Alakamisy 28 December 2023

Vakio ny Apok. 21:1-4 sy ny Apok. 21:22--22:5. Inona ny toe- javatra voatantara eto?

Ho paradisa manao ahoana re ny tany vaovao! Tsy hisy fahafatesana sy ota intsony, ary ho ringana i Satana sy ny faharatsiana. Ho hitantsika ny Mpanavotra antsika be fitiavana ary ho tafakambana amin'ireo malalantsika indray isika. Ary ny olona avy amin'ny fokom-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra no ho mponina ao amin'ilay tany vaovao.

Ny kômitin'ny asa maneran-tany any amin'ny foibe dia nanaiky ny hampiasana fandrefesana ny asa maneran-tany, izay hamantarana raha toa efa nitoriana ny hafatra na tsia ny vondron'olona iray. Ny "vondron'olona nandre ny hafatra" dia vondron'olona ahitana antontan'isa ampy sy fitaovana mahomby hahafahana mijoro ho vavolombelona eo amin'ireo izay tsy ao anatiny kanefa tsy mila fanampiana avy aty ivelany; manao fanompoam-pivavahana izy ireo, manana Baiboly ary andalan- teny hafa amin'ny fiteniny; ary misy tompon'andraikitry ny flangonana avy co an-toerana afaka mijoro ho vavolombelona ny amin'ireo olona ambiny amin'ny fiarahamonina kanefa tsy mila mpandika teny.

Ny "vondron'olona tsy mbola nandre ny fahamarinana" dia vondrona iray izay tsy ahitana mpino advantista (na vitsy loatra) ary tsy manana fitaovana mahomby hahafahana manao fijoroana ho vavolombelona amin'ireo olona ao aminy ka tsy ilany fanampiana avy amin'ny kolontsaina ivelan'ny azy.

Ny fiangonana eo an-toerana tsirairay sy ny federasiona tsirairay no tokony hamaritra ny vondron'olona mila tratrarina ao amin'ny fiarahamonina misy azy. Izao no fotoana mety hanaovana ny irak'Andriamanitra amin'ny fanaovana ny vondron'olona rehetra ho mpianatra, amin'ny fanafainganana ny fiverenan'ilay Mpamonjintsika ka hiara-monina amin'izy ireo any amin'ilay lanitra vaovao sy tany vaovao izay ampanantenaina eto isika.

Fanamby: Ahoana no hanafaingananao ny fiverenenan'i Kristy? Mamboly voan'ny fanantenana ao am-pon'ireo izay mila mandre ny vaovao mahafaly ve ianao? Tondrahanao ve ireo mpino vaovao, amin'ny fanampiana azy ireo hahatakatra ny hevitry ny hoe miaina flainana feno fankatoavana an'i Kristy? Mivavaha mba hahita hirika hiresahana ny amin'ny fampanantenana ny lanitra vaovao amin'ireo olona ao anatin'ny lisitry ny vavaka ataonao isan'andro.

Manaova fihaikana: vonona ny handray an'i Kristy ny sasany amin'ireo "mpianatrao". Izany hoe vonona ny hankany am-piangonana na hanatona vondrona mpino. Mipetraha eo amin'ny toerana misy azy ary alaivo sary an-tsaina fandehananao any am-piangonana voalohany indrindra. Fanandramana manao ahoana no hiainany? 

Ahoana ny fahavononan'ny fiangonanao handray olona vaovao sy hanao azy ireo ho mpianatra? Misokatra ho amin'ny fananganana vondron'ny mpino vaovao ve ianao fa tsy amin'ny fanorenana ny fiangonanao izay efa misy ihany? Manangana paikady hanarenana ireo tsy fahombiazana. Zarao amin'ny mpitarika ny fiangonanao ny hevitrao ary miaraha miasa amin'izy ireo amin'ny fampandehanana drafitra hahatonga ny fiangonana hanao mpianatra an-tsitrapo kokoa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal