"Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô. Tsy misy azo ampitahaina Aminao. Raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina." – Sal. 40:5.
Mofon’aina:
Tokony hobeazina ny zanakareo mba halemy fanahy, hihevitra ny hafa, handefitra, mora alahatra, ary ambonin'ny zavatra hafa rehetra, hanaja ny zava-panahy sy hahatsiaro ny lanjan'ny fitakian'Andriamanitra. Tokony hampianarina hanaja ny fotoam-bavaka izy ireo, ary tokony hasaina hifoha maraina mba hanatrika ny fotoam-pivavahana ho an'ny mpianakavy. — TFC, 5:424.
Tokony hitarika ny fanompoam-pivavahana amin' ny maraina sy amin'ny hariva ny raim-pianakaviana, izay mpisoron'ny ankohonana. Tsy misy antony tokony tsy hahatonga izany ho fahazarana mahaliana sy mahafaly indrindra amin'ny fiainan' ny ankohonana, ary tsy omem-boninahitra Andriamanitra rehefa atao mahamonamonaina sy mahasorena izany. Aoka ho fohy nefa mafana ny fanompoam-pivavahan'ny mpianakavy. (...) Rehefa lava ny toko vakina sy hazavaina ary lavareny ny vavaka atao, dia manjary mandreraka ilay fanompoam-pivavahana sarobidy, ka mahatsiaro ho maivana ny rehetra rehefa vita izany. (...)
Mifidiana ampahany amin'ny Soratra Masina izay mahaliana sy mora takarina; andininy vitsy dia ho ampy hanomezana lesona izay hohalalinina sy hampiharina mandritra ny tontolo andro (...) Farafahakeliny misy andininy vitsivitsy amin'ny hira mavitribitrika hiraina, fa tokony ho fohy sy mivantana kosa ny vavaka atao. Tsy tokony hivavaka momba ny zava-drehetra ny olona izay mitarika amin'ny vavaka, fa tokony haneho ny zavatra ilaina amin'ny teny tsotra sy hidera an'Andriamanitra amin'ny fisaorana. — ST, 7 Aogôsitra 1884.
Miankina betsaka amin' ny fampiasantsika ny ora fivavahana ny hahatonga ny fitiavana mandinika ny Baiboly ho taitra sy hahery. Ireo fotoam-pivavahana maraina sy hariva no tokony ho mamy indrindra sy manampy indrindra ao anatin'ny tontolo andro. Aoka ho fantatra tsara fa ao anatin'ireo ora ireo dia tsy tokony hisy fisainana feno ahiahy na faharatsiana tafiditra; fa ny ray aman-dreny sy ny zanaka dia mivory mba hihaona amin'i Jesosy sy hanasa ireo anjely masina mba handroso ao an-tokantranony. (...) Manampy ny ankizy ho liana ny famelana azy tsindraindray hisafidy vakiteny atao. – FK, t. 204.