Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mikolokolo fahalemem-panahy ao an-tokantrano 

Daty
Alakamisy 19 September 2024

"Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara: fa ny fitiavana manarona fahotana maro." - 1 Pet. 4:8. 

Mofon’aina:
Nanontany ny amin'izay tokony hataony mba handovany ny fiainana mandrakizay ilay tovolahy nanatona an'i Jesôsy. Nilaza taminy i Jesôsy ny mba hitandremany ny didy ka nitanisa maromaro tamin'izany. Hoy ilay tovolahy: "Izany rehetra izany efa voatandriko avokoa; fa inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?" - Mat. 19:20. Mampahafantatra ny olona ny adidy amin'ny fitiavana an'Andriamanitra ireo didy efatra voalohany, ary ny enina farany kosa dia maneho fitakiana ny hitiavana ny namana tahaka ny tenantsika. Firy amintsika moa no tena manao izany amim-pahamarinana tokoa sy amin'ny fo manontolo? 

Ho avy tsy ho ela ny Tompo, moa ve isika manao ireo adidy araka ny fahamarinana? Ny fitiavana no fototry ny toetra araka an'Andriamanitra. Tsy misy manana fitiavana an' Andriamanitra, na toy ny ahoana ny fitompoan-teniny momba izany, raha tsy manana fitiavana ny rahalahiny izy ka tsy mihevitra izay azy. Tahaka ny itiavantsika an'Andriamanitra noho Izy efa tia antsika taloha no hitiavantsika ireo rehetra nanoloran'i Kristy ny ainy. Tsy havelantsika tsy handre ny fampitandremana na tsy hiasana na koa tsy hokarakaraina ny fanahy izay tandindomin-doza lehibe sy mita fanampiana. Tsy havelantsika (...) ho tavela irery ao anatin'ny fahoriana sy ny fahakiviana izy ireny ka ho latsaka ao anatin'ny faritanin'i Satana, satria hataon'Andriamanitra amintsika izay ataontsika amin'ireo rahalahintsika na ireo madinika indrindra ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra. 

Kolokoloy ny fahamoram-panahy; aoka ny rivotry ny fitiavana no hitsoka manodidina anareo ao an-tokantrano. (...) Izay rehetra manameloka sy mampalahelo na manakivy ny hafa, izay tsy mahay maneho hatsaram-panahy sy firaisam-po ary fangorahana an'ireo alaim-panahy sy iharan'ny fizahan-toetra, dia hampandalovina amin'ny fanandramana izay nolalovan'ny hafa sy niaretany. Ho tsapany amin'izany ny fahoriana niaretan'ny hafa noho ny tsy nanehoana firaisam-po taminy, mandra-pialan'ny hamafin'ny fony sy hanokafany ny fony hidiran'i Jesôsy.

Tsy maintsy mandray ny herin' Andriamanitra izay manova fo ny fanahy rehetra manana fifandraisana amin'ny asa sy ny raharahan'Andriamanitra, mba ho fenon'ny fitiavan'i Kristy sy ny fangorahany ny tsirairay, raha tsy izany dia tsy mba hahita ny fanjakan'ny lanitra izy ireo. - TDG, t. 239. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal