Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mifikira amin'ny herin' Andriamanitra

Daty
Zoma 20 September 2024

"Tamin 'izany ny olonao masina dia nilazanao tamin 'ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin 'izay mahery Aho." - Sal. 89:19. 

Mofon’aina:
Tia anao ny Tompo, ary mangoraka anao. Izao no   teny fikasany: "Manatôna an' Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy" - Jak. 4:8. Rehefa manatona amin'ny fanaton'ny tondra-drano ny fahavalo,. dia hanangana fefy hiarovana anao ny Fanahin'i Jehôvah. Tsarovy fa i Jesôsy Kristy no fanantenanao. Izao no lazain'i Kristy eo anatrehan'ny toe-javatra mampalahelo sy mahakivy izay mianjady aminao amin'ny fotoana rehetra: "(...) aoka hifikitra amin 'ny heriko kosa izy ka hihavana Amiko." - Isa. 27:5. 

Ny anjaranao dia ny mifikitra amin'ilay hery izay mafy orina tahaka ny seza fiandrianana mandrakizay. Minoa an'Andriamanitra ary matokia Azy. Mifalia ao anatin'ny toe-javatra rehetra. Mety ho tojo fitsapana ianao, kanefa fantaro fa efa niaritra toe-javatra mampahory ho an' nylov any i Kristy. Tsy misy malala eo imason'Andriamanitra tahaka ny fiangonany. Mijery ny fo Andriamanitra, ary fantany izay Azy. Hizaha toetra ny fanahy rehetra Izy. "Mao no hodiovina sy hofotsiana ary hozahan-toetra; fa ny ratsy fanahy kosa mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin 'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny hendry no hahafantatra." - Dan. 12:10. 
 
Aoka izay tia an'Andriamanitra sy mpanatanteraka ny Teniny hanao hira fiderana sy fisaorana fa tsy hanao teny miampanga na mitady ny hadisoan'ny hafa na koa mimonomonona. Hitahy izay mitady fihavanana Andriamanitra. ( • • -) 

Matokia an'i Jehôvah. Aza avela hanakivy anao ny fihetsehampon'ny olombelona sy ny teniny ary ny toetrany. (...) Banjino hatrany i Jesôsy ilay Herinao. Hanjary hovana ho amin'ny fanahafana Azy ianao rehefa mibanjina Azy. Izy no ho fahasalaman'ny endrikao sy Andriamanitrao. (...) 

Mila anao ny fiangonana, ary ilainao ny hanalefaka sy hampilefitra ny fihetsehamponao noho ny amin'i Kristy. Tiany mantsy raha manamboatra anao ny Fanahiny Masina. Amin'izany no hahafahanao mizara fiainana sy fampaherezana ho an'ny fiangonana. Aoka ny teninao ho voafantina tsara mba hahatonga anao ho tena fitahiana ho an'ny fiangonana. Aza mampalahelo ny fanahinao amin'ny fivadibadihan'ny hafa. Raiso an-tanana ny fiainanao, ary aoka ianao ho mahatoky amin'ny zavatra rehetra. - TDG, t. 245. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal